Malagasy Corpus from Wikipedia and other sources http://users.ox.ac.uk/%7Ecpgl0015/pargram/malagasy.html http://www.dasher.org.uk/ http://www.aims.ac.za/ http://www.inference.phy.cam.ac.uk/mackay/ *** aho ianao izy isika, izahay ianareo izy, izy ireo, ry zareo ity izany eto ao iza inona aiza oviana ahoana, manahoana tsy ny ... rehetra betsaka vitsivitsy kely hafa iray roa telo efatra dimy lehibe lava malalaka matevina mavesatra kely fohy tery manify, mahia vehivavy lehilahy olombelona zaza vady vady reny ray biby trondro, hazan-drano vorona alika, amboa hao bibilava kankana hazo ala kibay, tehina voankazo voa ravina faka, fototra hodi-kazo voninkazo ahitra, bozaka tady hoditra hena ra taolana taviny atody tandroka rambo penina, volom-borona bolo loha sofina maso orona vava nify lela hoho tongotra ranjo lohalika tanana elatra kibo tsinay vozona, tenda lamosina tratra fo aty misotro mihinana manaikitra mifiaka mandrehoka mandoa mitsoka miaina, misefo hehy, tokelaka mahita maheno mahafantatra mieritreritra manambolo matahotra, manahy matory velona nodimandry, maty mamono, mahafaty miady mihaza mikapoka mandidy mamaky manatsatoka antsy mikiky, mikaoka mihady, mandavaka milomano manidina mandeha avy, tonga, tamy mivelatra mipetraka mifoha, mitsangana mihodina mianjera manome mitantana mandray manakasoka manasa mamafa mitifitra manosika manoraka mamehy, mamatotra manjaitra manisa milaza, miteny mihira, mikalo milalao mitsinkafona mikoriana mandry mibontsina masoandro volana kintana rano orana renirano kamory, farihy ranomasina, riaka sira vato fasika vovoka tany rahona zavona lanitra rivotra ranomandry, lanezy rano mandry setroka afo lavenona may lalana tondrombohitra mena maitso mavo fotsy mainty alina andro taona mafana mangatsiaka feno vaovao antitra, tonta tsara ratsy bobongolo maloto mahitsy boribory maranitra malama mando maina mendrika akaiky lavitra havanana havia izy anaty amin'ny sy, ary raha satria anarana Ny Wikibolana dia tetikasa ampiantranoin'ny http://wiktionary.org hanaovana rakibolana iarahana izay azon'ny rehetra anoratana. Efa nisy nanomboka ity Wikibolana ity ka inoako fa hanaiky ry zareo ny hanohizana azy. Amin'izao fotoana izao dia misy teny 26 voaangona ato... dia miandry anao hanatevin-daharana * Fanazavana fanampiny dia jereo ny Fandraisana * Raha hanandrana ny fomba fanoratana dia mandehana ao amin'ny Kianjam-pasika! * Azonao atao ihany koa ny manontany ireo Mpandrindra Inona no atao hoe Wikibolana Fanambarana ny teny hoe Wiki sy ny Rakibolana. Ny Wikibolana dia ampiasaina indrindra hanaovana rakibolana eto amin'ny internet (ovay azafady). Araka ny hitantsika dia asa be izy ity kanefa irariana ho tafita soa amantsara. Ovay Inona moa ny tanjona? - Ny tena tanjona dia ny hanangona ny teny malagasy sy hanome fanazavana izany. - Toa izany ihany koa ny fivoaran'ny teny - Eo ihany koa ny Tenin-tanora izay be mpampiasa kanefa be ny sokajin'olona tsy mahay azy. Inona no atao hoe mpandrindra? Ny mpandrindra amin'ny ankapobeny dia ireo izay manana fahefana hiaro ny votoatin'ity Wikibolana ity mba hifanaraka tsara amin'ny fitsipika anatiny. Lisitry ny mpandrindra (na ireo maniry ho mpandrindra) * Hery * DotMG Ireo te handrindra Momba ny fidirana ho mpandrindra Malagasy Fanazavana ireo teny vitsivitsy ao amin'ny baiboly. Raha hampiditra teny vaovao ianao ka tianao hipetraka eto amin'ity sokajy ity dia asio hoe [[Category:Baiboly]] ao anatiny. Jereo ny Fanoroana momba ny famoronana takelaka vaovao. Ny fampidirana tenintanora eto dia Jereo eto dia fonosy amin'ny iahve Avy amin'ilay renintsoratra efatra IHWH ao amin'ny Testamenta taloha. Matetika soratana koa hoe Iahveh. Ao amin'ny baiboly protestanta dia Jehovah no misolo ny IHWH Firaisam-pinoana Ao amin'ny Dikateny Iombonana dia nosoloina Tompo ny IHWH. (toa ny an'ny frantsay ). Na Iahveh na Jehovah mantsy dia ahitana ilay renintsoratra 4 IHWH fa ny zanatsoratra (izay tsy nisy tamin'ny andron'ny Jiosy) no mampiova azy tompo Tompo no teny malagasy iantsoana ny Adonai avy amin'ny teny hebreo. Ao amin'ny baiboly Ho an'ny Jiosy dia teny tsy natao hotononina ny anaran'Andriamanitra... ilay renintsoratra efatra IHWH (izay adikan'ny katolika hoe Iahveh ary adikan'ny protestanta hoe Jehovah). Ka rehefa mahita an'ireo renintsoratra efatra ireo ao amin'ny Baiboly ny mpamaky teny dia soloina hoe Adonai. Io Adonai io no adika amin'ny teny Malagasy hoe Tompo. aleo ambara manambara ambarao ambara nambara hambara anambarao anambarana voambara fanambarana fambara andry miandry andraso andrasana iandraso iandrasana fiandrasana mpiandry azo mahazo Tsy azoko ianao. ahazoana ahazahoana nahazoana nahazahoana hahazoana hahazahoana mifankahazo fahazoana fahazahoana babo mamabo baboy baboina nobaboina anababoy anababoana mahababo voababo Voababon'ny fahavalo i Jaona. efa manefa efao efana noefana anefao anefana mahefa ahefao ahefana voaefa fahefana manampahefana fantatra mamantatra fantaro fantarina nofantarina amantaro amantarana mahafantatra Nahafantatra an'i Paoly i Jeanne. ahafantarana Fantatr'i Jeanne tany Antsirabe i Paoly. Tany Antsirabe no nahafantaran'i Jeanne an'i Paoly. mampahafantatra fahafantarana famantaranandro ankamantatra feno mameno fenoy fenoina nofenoina hofenoina amenoy amenoana mifameno mahafeno famenoana foana manafoana foano foany foanana nofoanana hofoanana anafoano anafoanana mahafoana fanafoanana folaka mamolaka folaho folahina afolaka amolaho amolahana mahafolaka voafolaka famolahana mpamolaka foy mamoy afoizo afoy amoizo amoizana mahafoy famoizana fy mankafy ankafizo ankafizina ankafizana Mankafy vatomamy ny ankizy. hadino manadino hadinoy hadinoina anadinoy anadinoana anadinovana fanadinoana haino heno mihaino hainoy hainoina henoina nohainoina nohenoina hohainoina hohenoina ihainoy ihainoana mpihaino fihainoana hay mahay Tany Antsirabe no nahaizan'i Paoly nitondra fiara. fahaizana mpahay hita mahita Nahita an'i Paoly i Jeanne tamin'ny taona 2000. Tamin' ny taona 2000 no nahitan' i Jeanne an'i Paoly. la manda lavo lavina nolavina holavina andavo andavana fandavana latsaka mandatsaka alatsaho alatsaka andatsaho andatsahana mahalatsaka ahalatsahana voalatsaka Voalatsak'i Jeanne ilay taratasy. tafalatsaka Tafalatsaka i Jeanne. fandatsahana mpandatsaka lena mandena lemo lemana nolemana andemana lo mando lovy lovina andovy andovana mahalo loaka mandoaka loaho loahy loahana andoahy andoahana mahaloaka loaka Loakan'i Paoly ilay zavatra. ome manome omeo omena nomena anomezo anomezana fanomezana fanome mpanome petaka mametaka mipetaka petaho petahina ametaho ametahana mahapetaka mahapetaka voapetaka fametahana fametaka mpametaka fipetahana fipetaka potika mamotika poteho potehina nopotehina hopotehina amoteho amotehana mahapotika Potik'i Paoly ny fitaratra. famotehana mpamotika potsitra manapotsitra potsiro potsirina anapotsiro anapotsirana mahapotsitra voapotsitra fanapotsirana potraka mamotraka apotraho anapotrahana fanapotrahana famotrahana rakotra mandrakotra mirakotra rakofy rakofana norakofana arakofy arakotra andrakofy andrakofana Rakotra fasika i Jeanne. Mirakotra bodofotsy i Jeanne. irakofy irakofana maharakotra voarakotra fandrakofana firakofana raraka mandraraka miraraka raraho rarahana araraho araraka norarahana andraraho andrarahana fandrarahana re mandre re Reko fa nandeha i Jeanne andreneso andrenesana mahare fandrenesana fampandrenesana resy mandresy resy reseo noresena andreseo andresena maharesy aharesena fandresena faharesena mpandresy ritra mandritra rito ritina noritina andrito andritana fandritana rotika mandrotika roteho rotehina norotehina androteho androtehana maharotika fandrotehana rovitra mandrovitra rovito rovitina norovitina androvito androvitana maharovitra voarovitra Voarovitr'i Jeanne ilay taratasy. fandrovitana simba manimba simbao simbana nosimbana animbao animbana mahasimba fanimbana fahasimbana sitrana manasitrana sitrano sitranina nositranina anasitrano anasitranana mahasitrana fanasitranana fahasitranana tadidy mitadidy tadidio tadidina itadidio itadidiana mahatadidy fitadidiana tao manao ataovy atao anaovy anaovana fanao fanaovana mpanao fitaovana tapaka manapaka tapaho tapahina notapahina anapaho anapahana mahatapaka voatapaka tazana tazano tazanina notazanina itazano itazanana mahatazana fitazanana mpitazana teraka miteraka ateraka iteraho iterahana fiterahana mpiteraka tia tia Tia an'ilay akanjo i Jeanne. tia Tian'i Jeanne ilay akanjo. tiavo tiavina tiana itiavana fitiavana mpifankatia to mankato ankatoavy ankatoavina ankatoavana fankatoavana tolaka manolaka atolaho atolaka anolaho anolahana voatolaka fanolahana tonga tongava ahatonga ahatongavana fahatongavana tratra mahatratra ahatrarana tratraro tratrarina notratrarina anatratraro anatratrarana fanatratrarana fahatratrarana triatra manatriatra triaro triarina notriarina itriarana mahatriatra voatritra tsapa mitsapa tsapao tsapaina notsapaina itsapao itsapana mahatsapa voatsapa fitsapana fahatsapana vaky mamaky vakio vakina amakio amakiana mahavaky voavaky Vakin'i Paoly ny fitaratra. famaky famaky famaky famakiana velona mamelona mivelona velomy velomina novelomina amelomy amelomana ivelomana mahavelona fivelomana mpamelona very mamery verezo verezina amerezo mahavery Veri-n'i Jeanne ny entana. Ny adalan'i Jeanne no nahavery ny entana. ahaverezana fahaverezana vita mamita vitao vitaina novitaina amitao amitana mahavita ahavitana fahavitana voa voaza ahavoazana Voan' aretina mifindra i Jeanne omaly. Omaly no nahavoan' aretina mifindra an'i Jeanne. Voan'i Jeanne bala ilay mpangalatra omaly. Omaly no nahavoazan'i Jeanne bala ilay mpangalatra. mahavoa fahavoazana voky mamoky vokiso vokisana novokisana amokiso amokisana mahavoky voavoky Voavokin'olona i Jeanne. Voky lainga i Jeanne. fahavokisana famokisana vory mamory vorio vorina amorio amoriana mivory ivorio ivoriana mahavory voavory tafavory Voavorin'i Jaona ny olona. Tafavory ny olona. fivoriana mpivory zaka manjaka anjakao anjakana mizaka zakao zakaina nozakaina mahazaka izakana fizakana mpanjaka fanjakana akatra manakatra miakatra akaro akarina mampiakatra mampakatra ampiakaro ampiakarina ampakarina anakaro anakarana ampiakarana ampakarana tafakatra fampakarana fiakarana anatra mananatra anaro anarina nanarina hanarina ananaro ananarana nananarana hananarana mianatra ianaro ianarana nianarana hianarana mampianatra ampianaro ampianarina nampianarina hampianarina ampianarana nampianarana hampianarana fianarana fianatra fampianarana mpianatra mpampianatra didy mandidy mididy didio didiana nodidiana hodidiana andidio andidiana adidy voadidy fandidiana mpandidy dinika mandinika midinika diniho dinihina nodinihina andiniho andinihana nifampidinika voadinika fandinihana fandinika mpandinika dio mandio midio diovy diovina nodiovina andiovy andiovana voadio fahadiovana fandiovana madio doboka mandoboka dobohy dobohina nodobohina adobohy adoboka andobohana fandobohana fandrika mamandrika fandriho fandrihana nofandrihana amandriho amandrihana voafandrika famandrihana mpamandrika fantsika mamantsika fantsiho fantsihana nofantsihana amantsiho voafantsika famatsihana faritra mamaritra mifaritra farito faritana nofaritana amarito voafaritra famaritana mpamaritra faty mahafaty fahafatesana ahafatesana nahafatesana gaina mangaina halatra mangalatra angalaro angalarina nangalarina hangalarina angalarana nangalarana hangalarana fangalarana mpangalatra harona mangarona harony haronina angarony angaronana voaharona fangaronana mpangarona hataka mangataka angataho angatahina angataho angatahana fangatahana mpangataka hemotra manemotra hemory hemorina ahemory ahemotra anemory anemorana mihemotra fihemorana fanemorana henjana manenjana henjano henjanina nohenjanina ahenjano ahenjana anenjano anenjanana nanenjanana mihenjana voahenjana fihenjanana fanenjanana hetsika manetsika hetseho hetsehina nohetsehina hohetsehina anetseho anetsehana nanetsehana hanetsehana mihetsika ahetsika nahetsika hahetsika ihetseho ihetsehana nihetsehana hihetsehana mahahetsika voahetsika tafahetsika fihetsika fanetsehana hety manety hetezo hetezana nohetezana anetezo anetezana mihety voahety fihetezana fanetezana mpanety hidy manidy hidio hidiana anidio anidiana fanidiana mpanidy hintsana manintsana mihintsana ahintsano ahintsana anintsano anintsanana fanintsanana hitsaka manitsaka hitsaho hitsahina nitsahana hitsahana anitsaho anitsahana ahitsaka voahitsaka fanitsahana mpanitsaka hoatra manoatra mihoatra ihoaro ihoary ihoarana fihoarana hodina manodina mihodina ahodino ahodina anodino anodinana voahodina tafahodina fanodinana hodidina manodidina mihodidina hodidino hodidinina ahodidina voadidina fihodidinana hofa manofa mampanofa mihofa hofay hofao hofaina hofana nohofaina nohofana ahofao ahofa anofao anofay anofana voahofa fanofana mpanofa mpampanofa hosotra manosotra mihosotra hosory hosorana ahosotra anosory anosorana ihosory ihosorana Nohosoran'i Jeanne menaka ny tongony. Nahosotr'i Jeanne ny tongony ilay menaka. Nanosoran'i Jeanne menaka ny tongony ilay fitaovana. voahositra fihosorana fanosorana mpanosotra hosy manosy mihosy hoseo hosena anoseo anosena voahosy fanosena fihosena hovitra mangovitra Mangovitry ny hatsiaka aho. hozohozo mangozohozo mihozohozo fangozohozoana fihozohozoana kaikitra manaikitra kaikero kaikerina nokaikerina hokaikerina anaikero anaikerana nanaikerana hanaikerana voakaikitra fanaikerana mpanaikitra karama manarama mikarama karamao karamaina nokaramaina hokaramaina ikaramao ikaramana nikaramana hikaramana anakaramao anakaramana nanakaramana hanakaramana voakarama fikaramana mpikarama ketsa manetsa ketsao ketsana noketsana anetsao anetsana fanetsana mpanetsa korontana manakorontana mikorontana korotano korontany korontanina nokorontanina hokorontanina akorontano akorontany akorontana Nokorontanin'i Jaona ilay mpangalatra. Nakorotan'i Jaona ny entana. fikorontanana fanakorontanana mpanakorontana lentika mandentika milentika alenteho alentika nalentika halentika andenteho andentehana nandentehana handentehana voalentika tafalentika fandentehana filentehana mpandentika loko mandoko miloko lokoy lokoana nolokoana andokoy andokoana voaloko fandokoana mpandoko lositra mandositra andosiro andosirana fandosirana mpandositra nenina manenina aneneno anenenana fanenenana petraka mametraka mipetraka apetraho petraho apetraka ametraho ametrahana ipetraho ipetrahana mahapetraka voapetraka tafapetraka fametrahana fipetrahana fipetraka posaka mamosaka miposaka aposaho aposaka naposaka haposaka voaposaka tafaposaka famosahana fanaposahana fiposahana resaka miresaka resaho resahina noresahina horesahina iresaho iresahana niresahana hiresahana mifampiresaka firesahana firesaka mpiresaka sasa manasa misasa sasao sasana nosasana hosasana anasao anasana nanasana hanasana mahasasa voasasa fanasana fisasana fisasa mpanasa tery manery tereo terena noterena hoterena anereo anerena nanerena mitery fanerena toetra mitoetra atoero itoero itoerana nitoerana hitoerana fitoerana tondra mitondra ento entina nentina hoentina itondrao itondray itondrana nitondrana hitondrana fitondrana mpitondra tsaingoka manaingoka mitsaingoka tsaingohy tsaingohina notsaingohina hotsaingohina voatsaingoka fitsaingohana mpitsaingoka tsangana manangana mitsangana atsangano atsangana natsangana hatsangana anangano ananganana nananganana hananganana itsangano itsanganana nitsanganana hitsanganana mahatsangana voatsangana tafatsangana fitsanganana fananganana mpitsangana mpanangana tsentsina manentsina tsentseno tsentsenana notsentsenana atsentsina anentseno anentsenana mahatsentsina voatsentsina fanentsenana tsipaka manipaka tsipaho tsipahina notsipahina hotsipahina anipaho anipahana nanipahana hanipahana mitsipaka itsipaho itsipahana nitsipahana hitsipahana voatsipaka fanipahana tsipika manipika tsipiho tsipihina notsiphihina hotsiphihina anipiho anipihana nanipihana hanipihana mitsipika voatsipika fitsipika fanipika valy mamaly mivaly valio avaly valiana novaliana amalio amaliana mahavaly voavaly mifamaly famaliana fifamaliana mpamaly vaha mamaha vahao vahana novahana amahao amahana mahavaha voavaha famahana mpamaha valona mamalona mivalona avalony avalona amalony amalonana mahavalona voavalona famalonana vantana mamantana mivantana ivantano vantano vantanina ivantanana amantano amantanana famantanana vazivazy mamazivazy vazivazio vazivazina novazivazina amazivazio mahavazivazy voavazivazy famazivaziana mpamazivazy vela mamela avelao avela amelao amelana voavela tafavela famelana mpamela velatra mamelatra mivelatra velaro velarina novelarina hovelarina avelatra navelatra havelatra amelaro amelarana namelarana hamelarana ivelarana mahavelatra voavelatra famelarana mpamelatra fivelarana vely mamely mifamely mively veleso velesina novelesina amelezo amelezana ivelesana ivelezana famelezana fifamelezana mpamely fivelezana vily mamily mivily avilio avily amilio amiliana ivilio iviliana voavily tafavily  TSEMBOKA ALOHAN'NY MIEVOKA dimanche 11 mai 2003, napetrak'i / mis en ligne par Antsiva Tsy te hanohy resaka intsony i Raozy ka nangata-dàlana handeha. Toa misy hery hafa koa anefa manesika azy hijanona ihany. Sahiran-kevitra izy. Na inona na inona teny hataon-dRanoro mianaka dia efa vonona hiaro hatrany an'i Bena izy. Tsy hita moa, ny alika, hono, jamban'ny taolana, fa izy kosa jamban'ny fitiavana. Tsy te hamela an'i Raozy ho irery avy hatrany ry Ranoro ka niangavy azy mbola hijanona kely aloha hiaraka haka sary fahatsiarovana sy hiakatra eny amin'ny rihan'ny Tour Eiffel. Toa tsy nampaharisika an'i Raozy mihitsy anefa izany hiaraka haka sary sy hiakatra eny ambony eny izany. Mbola nanamafy ihany Ranoro ka niteny hoe :  Dia tapa-kevitra handeha tokoa ve ianao Raozy ? Tsy aleo ve mba miaraka aminay mananika ny Tour Eiffel aloha ?  Tsy maintsy mandeha aho fa aleo ho zokin'ny aoriana, hoy izy. Jereo koa ireto hamaroan'ny olona milahatra. Izaho maika rahateo. Hikatona ihany ny magazay.  Fa dia inona loatra ity mahamaika anao ? Mba andro iray hihaonana ity.  Boribory ny tany ka mihaona foana ramatoa ô ! Efa voalazako taminareo fa maika hijery magazay aho. Ity ny nomeraon'ny telefaonako raha te hiantso ahy ianareo. Noraisin-dRanoro ny taratasy kely natolony ary avy hatrany dia nampiriminy tao anaty pôketrany sady nisaotra azy izy. Avy eo dia niteny izy hoe :  Ary toa mbola tsy nomenay anao moa ny adiresinay ? Somary nisavasava taratasy tao anaty pôketrany izy dia nibanjina tsara an'i Raozy sady nanolotra azy karatra kely misy ny adiresiny ny ny nomeraon'ny telefaonany.  Ity ny adiresinay, hoy izy. Aza misalasala miantso anay raha misy ilana izany.  Dia voaray izany ity fa misaotra, hoy Raozy. Tsofy rano amin'izay aho handeha fa ny resaka tsy mahavingo.  Atao ahoana moa ! Ianao aza handeha.  Tsy maintsy mandeha aho. I Bena koa izany toa te hanampoka ahy amin'ny fanaovana ny raharahanay ka aleoko miomana dieny izao.  Tsy te hanampoka anao izany izy, hoy Soa.  Hanambady izy nefa ny olon-kovadina tsy ilazana akory. Moa tsy manampoka ve izany ?  Tandremo ihany Raozy sao ho diso fanantenana ianao.  Nahoana aho no ho diso fanantenana ? Efa tongotra mby an-dakana ny ahy. Veloma ianareo.  Veloma i Raozy, hoy izy rehetra indray niredona. Ny nandehanany no ela dia tsy taza-maso intsony izy. Be loatra tokoa angaha ny olona ka tsy ifankahitana. Nifandroritan'ny eritreritra samihafa ny fo sy saina aman'eritreriny. Nanaitra azy tokoa ny fandrenesana fa hanambady i Bena. Toa nilatsaham-baratra izy raha nilazana fa misy zazavavy hitan'i Soa niaraka taminy. Nanangona ny heriny rehetra anefa izy hanafenana hatramin'ny farany ny tena fihetseham-pony. Satriny horesena lahatra izao rehetra izao, horesena lahatra mikasika ny mahamafy orina ny fifankatiavan'izy sy Bena. Sarotra aminy ny hino na dia ho segondra iray fotsiny ihany aza fa hoe niova fitàna ny malalany. Aminy dia anisan'ny soa toavina ny fahaiza-manaja ny dina natao. Laviny an-kitsirano ny fanosihosena izany soa toavina izany. Rehefa lasa i Raozy dia niezaka tsy hieritreritra azy intsony Ranoro mianaka. Toa arakaraky ny finiavany hanompana ny eritreriny amin-javatra hafa anefa no vao mainka mampitamberina aminy hatrany ny fahatsiarovana an'i Raozy. Manjohy ity tovovavy ity hatrany ny saina aman'eritreritr'izy mianaka.  Tena tsy nampoiziko mihitsy ry nenitoa ny fihetsik'i Raozy.  Tena tsy nampoizina mihitsy.  Efa vakina betroka izao ny resaka nefa dia ireny no afitsony !  Efa novakina bantsilana teo anatrehany nefa dia....  Hmm, hmmm ! Isika indray no nolazainy ho tsemboka alohan'ny tompony. Tsemboka alohan'ny tompony, hono re, tsemboka alohan'ny tompony... Izany koa ve ry nenitoa dia mba fiteny ?  Tsemboka alohan'ny mievoka no fiteny fa tsy izany tsemboka alohan'ny tompony izany. Amin'ny fiainana andavanandro ny mievoka no tsemboka fa tsy ny mpijery na ny mpitazana fotsiny ihany.  Ny mpijery tokoa ve moa ho tsemboka ? Io no tonga amin'ny fitenenana hoe : "ny varin'i Balita no notondrahan-drony ka ny an'i Tarosy no manginanginana". Inona no ifandraisan'izany amin'ny resantsika teo ?  Raha raisina ara-bakiteny ny hoe mievoka dia tsy hafa fa fisalobonana ao anaty lamba miaraka amin'ny rano mangotraka nasiana ravin-kininina fotsy na ravinkazo hafa fanao fanafody. Tsy atao ao anaty rano ny endrika fa asalisaly eo amboniny eo ka tera-tsemboka sy mivoa-dinitra ary mivoajamala mihitsy vao mivoaka avy eo. Tsy kilalaon-jaza io fa fomba fitsaboana mihitsy teo amin'ny Ntaolo malagasy ary mbola misy manohy izany ny taranaka ankehitriny, indrindra ireo any ambanivohitra. Rehefa voan'ny sery na gripa na kohaka na rehefa mety ho aretin-tratra ny Ntaolo dia nampiasa izany mba hampahalalaka ny taovam-pisefoana.  Taovam-pisefoana ?  Taovam-pisefoana.  Ahoana moa izany ry nenitoa ?  Tahaka ny tsy avy any Madagasikara koa i Soa izany. Taovam-pisefoana ve dia tsy ho fantatrao fa aza mody adala eo.  Ka mba tiako hohazavainao kokoa ange e !  Izaho efa nipetraka ela taty Andafy indray ve no hahay izany noho ianao ?  Ka tsy resaka voambolana fotsiny ange fa fanazavana amin'ny antsipiriany ny amin'ilay voalaza teo e !  Ny taovam-pisefoana (appareil respiratoire) dia tsy hafa fa ny làlan-drivotra ahazoa-miaina. Tsy eo amin'ny orona ihany izany fa hatrany amin'ny havokavoka no ho miakatra. Indraindray misy toa rehoka manentsika ny làlan-drivotra madinika any amin'ny havokavoka any sy ny tenda ka mahatonga azy hangakàka. Rehefa tsembotsemboka iny ianao matetika dia te handrehoka. Ankoatra izay dia misy toa ranon-javatra mitsiloliloly mazana mivoaka avy ao anaty orona. Rehefa mievoka ianao dia tsemboka ary tsaroana ho manomboka miafana hatramin'ilay mangakàka tao an-tenda iny.  Marina tokoa izany ry nenitoa. Fa, hono, ho'aho, inona no tena ifandraisan'izany amin'ilay tenin'i Raozy hoe tsemboka alohan'ny tompony ? Aiza ve ka isika, hono, tsemboka alohan'ny tompony ! Eisy e ! Mba mahita raha koa re i Raozy ! Maninona no tsy nataony hoe tsemboka alohan'ny mievoka ?  Ka izay no mba tiany hilazana azy.  Manaiky izany teniny izany ve i nenitoa ? Dia tena tsemboka alohan'ny tompony tokoa ve isika ?  Fijeriny izany na hanaiky isika na tsy hanaiky.  Tsemboka alohan'ny tompony. Ha, ha, ha, ha, ha, ha, ha !  Inona no mampihomehy anao amin'izany ?  Mba te hihomehy fotsiny aho.  Hitsikitsika tsy mandihy foana fa ao raha...  Ka tsy mba mampihomehy an'i nenitoa ve izany fomba fiteny hoe tsemboka alohan'ny tompony izany ?  Tsy mampihomehy ahy mihitsy izany.  Ka isika anie izany no tsemboka alohan'ny tompony e ! Nefa raha i Raozy ve ry nenitoa no mievoka dia isika no ho tsemboka ?  Nefa dia izany mihitsy no fijeriny azy.  Tokony ho teny hafa no nampiasainy fa tsy io. Tsy mifanaraka amin'ny zava-misy mihitsy. Izy anie ka tsy tsemboka mihitsy ry nenitoa e !  Ka sarin-teny ihany anie izany e !  Eny e, sarin-teny ary izany indrindra no ilazako hoe tsy tsemboka akory i Raozy. Tsy nanaitra azy akory ny tenintsika. Tsy rototra mihitsy izy. Olona tsy rototra ve ho tsemboka ? Isika no be fanahiana ambony ihany ka feno fangorahana azy fa toa tsy nasiany sirany akory izay nambarantsika.  Izay mihitsy no azo antsoina hoe fahatsembohana. Isika no sahiran-tsaina sy miady loha fa tsy izy. Efa vita aloha ny adidintsika ry Soa ô !  Izay aloha e ! Fa ny mampalahelo dia ity isika fotsy rora niteny fotsiny.  Inona no hampalahelo anao amin'izany ? Efa nambara azy ny marina. Afaka adidy amin'ny fatana isika.  Dia nolazainy fa ny korana tsy mahavingo. Isika anefa tsy nikorana.  Ka ny korana tian-kambara amin'izany dia tsy hafa fa ny resaka. Ny resaka tsy mahavingo.  Inona no tena dikan'izany ry nenitoa ?  Ny dikan'izany dia hoe : ny resaka tsy mandreraka. Izany hoe azo tohizana foana ny resaka. Mbola nampiany aza hoe ny diondrano tsy ho lany. Nohadinoin'i Soa angaha ilay hira hoe : Korano mangingina ? Resaka milamina, resaka mangingina no dikan'iny. Araka izany ny korana dia ilazana resaka ihany koa.  Fa inona tokoa moa ny diondrano ?  Ny diondrano ve ? Ka inona moa izany fa tsy ny fandiorano e ! Bibikely ao anaty rano izy io. Mitovitovy bika amin'ny tsikovoka fa somary kelikely kokoa. I Soa indray ve no hatoro izany ? Misy foana ny fandiorano, tsy mety lany. Izany no mahatonga ny fitenenana hoe ny diondrano tsy ho lany. Samy fiteny daholo na ny diondrano na ny fandiorano. Mbola nohamafisin'i Raozy indray aza ka nampiany hoe ny resaka, hono, tsy hasiso rahoviana.  Resaka tokoa ve moa hasiso ry nenitoa !  Ny sakafo matetika rehefa mialina andro dia masiso ka fanary sady tokony hariana. Ny resaka kosa dia azo tohizana amin'ny fotoana hafa indray. Izany no nahatonga an'i Raozy hiteny hoe : aleo ho zokin'ny aoriana.  Mbola manantena fihaonana izy izany ry nenitoa ô ?  Ny hoe aleo ho zokin'ny aoriana dia midika fa mbola hisy zandrin-dresaka ho avy. Zandriny inona moa ? Fomba fiteny ihany io.  Raha azoko tsara ny tena heviny dia izao : tsy te hiresaka amintsika intsony i Raozy dia nampiasa ireo fomba fiteny samihafa ireo.  Tsy hoe tsy te hiresaka amintsika intsony izy. Mbola te hiresaka tokoa izy saingy noheveriny fa tsy hanam-piafarana ny resaka raha tohizana ka aleo ajanona hatreo aloha dia hotohizana indray amin'ny fotoana manaraka.  Tena mbola mitana mihitsy anie i nenitoa amin'ny fahaizana teny malagasy e !  Hita ve izay hoe mahay ry Soa ô ! Hita ve izay hoe mahay ! Io no tonga amin'ny fitenenana hoe : mason-tsokina, masom-boalavo ka izay kely ananana no ahiratra. Tsy hita moa ! Malagasy koa anie ny tena ka aiza moa no tsy hahaizana teny malagasy e !  Hoy ianao... Fa angaha ny Malagasy rehetra no mahay miteny malagasy ?  Mampalahelo fa misy Malagasy tsy mahay miteny malagasy tokoa aty. Ny mahavariana aza dia misy efa lehibe izao vao niala tany Madagasikara nefa nony aty aoriana dia milaza ho nanadino ny teny malagasy.  Sady mampalahelo izany no mahamenatra. Tsy mamasoka be ve izany ry nenitoa sady manala baraka mihitsy ?  Mahavoa baraka koa aza no azo ilazana azy.  Fa tsy samy hafa angaha moa ny hoe afa-baraka sy voa baraka ?  Samy hafa ahoana ? Mifanahantsahana ihany ireo. Io moa dia arakaraka ilay olona miteny azy ihany koa. Raha ny marina dia mitovy ihany ny hoe afa-baraka sy ny voa baraka.  Mova tsy ireny mpampianatra teny malagasy ireny mihitsy i nenitoa.  Izany ve ? I Soa ity koa re... Aiza no izany eo ! Raisiko ho adidy ny mampita aminao izay mba kely fantatro.  Tena manohina ny foko tokoa izany teninao izany, hoy Soa sady nofihininy mafy Ranoro. Antsiva TE HIANATRA TENY MALAGASY I JAONA KELY I JAONA KELY FON'AKOHO dimanche 6 avril 2003, napetrak'i / mis en ligne par Antsiva Taonarivo fahatelo. Taonarivo nitondra ainga vao. Taonarivo mahavelom-bolo. Taonarivo mahabe fanantenana. Taonarivo miantso ny mpiara-belona handala ny fanahim-pihavanana, hankamamy ny firaisankina ary hanaja ny lamina sy rindra eo amin'ny tontolo iainana. Taonarivo ihazakazahan'ny karazam-pandrosoana samihafa ihany koa. Fa ny miavaka indrindra amin'ireny dia izy taonarivo ahitana taratra ny firoboroboan'ny hetahetan'ireo zanaka am-pielezana aty am-pitan-dranomasina te hianatra teny malagasy, te hahalala ny maha-malagasy, te hahafantatra ny fomba amam-panao amin'ny fotoana toa izao sy toa izatsy. Na eo amin'ny fiainana andavanandro, na ao amin'ireo ankamaroan'ny karazam-pikambanana samihafa, eny hatrany am-piangonana aza, ohatra, dia zary lasa ambentin-teny ny ilana ny fianarana ny teny malagasy, ny hahaizana miteny malagasy. Tsy vitan'ny hoe mahay miteny malagasy ihany anefa fa eo koa ny fahaiza-manoratra ny tian-kambara. Tsy misosa ho azy toy ny fiara elektrika ny hahaizana miteny malagasy. Mitaky finiavana sy fitiavana izany. Mitaky fahazotoana sy fimasoana ihany koa. Betsaka ny olana mety ho nahatonga ny ankamaroan'ireo taranaka malagasy aty am-pitan-dranomasina tsy mahay miteny gasy. Misy mahita rirany amin'ny resaka ihany fa tsy mahay mamaly. Tsy hita anomezan-tsiny ny taranaka anefa izany. Ny tontolo niainany ihany no namolavola ny fomba fijeriny sy ny fomba fiteniny. Ny anisan'ny mety ho antony dia satria matetika no efa tena zatra miteny frantsay ny ankamaroan'ireo raiamandreny ao an-tokantrano ka tsy miteny malagasy mihitsy. Misy koa ny te hiteny ihany nefa heveriny fa tsy ho azon'ny zanany izay tiany hambara ka ho fandaniam-potoana sy tsy hitera-bokatsoa. Ao koa ny milaza ho efa nanadino ny teny gasy. - Ny tena aza tsy mahay, hoy izy ireny, ka fomba ahoana moa no hahazoana miteny gasy izany amin'ny ankizy ? Tsy ho jamba mitarika jamba ve ? Misy koa ny minia tsy miteny gasy mihitsy satria heveriny ho fahambaniana izany. Mariky ny maha-olo-mandroso, mantsy hono, ny miteny frantsay sy miteny anglisy ao an-tokantrano. Ao koa anefa ny tsy mitsahatra fa miteny amin'ny teny malagasy amin'ireo solofo sy dimbiny. Raha misy teny sarotra na manahirankirana dia hazavainy amin'ny teny frantsay na teny anglisy, araka izay mety ho manavanana kokoa ny ankizy. Ratojo sy Ranoro raiamandrenin'i Jaona dia anisan'ireo tsy niteny malagasy tamin'ny zanany mihitsy. Lahitokana i Jaona. Tsy ary ambony, tsy ary ambany. Somary manifinify sy kely endaka ary mailamaila-pihetsika izay izy ka izany no iantsoan'ny rehetra azy hoe i Jaona kely. Nankararirary ny ain-dRatojo mivady mihitsy ny tsy mba nitenenany tamin'ny teny malagasy ny solofo sy dimbiny nandritra ny androm-pahakelezany. Ny nenina tsy eo aloha fa aoriana. Tsy te hamoha fota-mandry mikasika ny antony nahatonga izany anefa izy ireo. Rehefa nandinika izy taty aoriana dia nahazo hevitra hitondra an'i Jaona haka rivotra any an-tanindrazana. - Tsy hahay miteny malagasy ve izy rehefa tonga any ? hoy ny eritreritr'izy mivady... Saika hampianatra azy teny malagasy ihany ny raiamandreniny fony mbola vao niana-niteny izy. Ny ankamaroan'ireo zaza avy any amin'ny firenena hafa mantsy toa mahita rirany amin'ny tenin-drazany avy. I Lee kely mpiara-mianatra aminy, ohatra, mahay miteny sinoa nefa teraka taty Andafy. I Ibrahim, zazalahy kely mitovy taona aminy koa mahay miteny arabo. I Joséphine, avy any Côte d'Ivoire, tsy ambakan'izany. Mbola ao koa ry zareo avy any Portugal sy ny toeran-kafa tsy àry ho voatonona eto. Mahita ny namany afaka mivadi-dela i Jaona dia mitsiriritra ery. Mahalasa ny eritreriny tokoa ny tsy mba nitenenan'ny raiamandreniny taminy tamin'ny teny malagasy - Nahoana kosa àry ? hoy izy miteny irery. Hatreo dia namelovelo tao amin'ny fo amam-panahiny ny hetaheta sy ny faniriana hahay ny fitenin'ny firenena nihavian'ny masoandro amam-bolany. Matetika izy dia manala andro mihaino kasety amin'ny teny malagasy. Na tsy fantany aza ny hevitry ny tononkira dia mahafaly azy fotsiny izao ny mihaino azy. Ninia tsy niteny malagasy taminy mihitsy ry Ratojo mivady hatramin'ny androm-pahakelezany mba hisorohana ny noheveriny ho mety ho voka-dratsin'izany. Nisy dokotera vazaha izay mantsy nanafatrafatra azy ireo tsy hiteny malagasy amin'i Jaona aloha tamin'ny androm-pahakelezany, sao hono hanahirana ny lohan'ny zaza izany ka vao mainka hahavotsavotsa azy eo amin'ny fianarana. Somary badabada sy miraiki-dela izay ihany koa mantsy i Jaona fony kely. Tankina Ratojo. Tsy nampoiziny hiloaka ny vavan'i Jaona kely izany hetaheta te hianatra teny malagasy izany. - Efa miova tokoa lahy ny toetr'andro ! hoy izy miteny irery. Frantsa, 04 aprily 2003 Antsiva  NY HAFATR'ILAY KALESY AFO jeudi 9 mars 2006, napetrak'i / mis en ligne par Antsiva Alina tamin'izay, alina toy ny alina hafa rehetra, alina natao hatoriana, hialana sasatra. Tonga ny ora fatoriana ary nandray ny fihiranany i Soa ka nikasa hanomana ny fotoam-pivavahana fanaony isaky ny fotoana toa izao. Tia manankina ny torimasony amin'Andriamanitra hatrany izy ary matoky fa ny anjelin'ny Avo indrindra no hiambina azy mandritra ny alina maizina. Asa anefa fa toa tsy nivonona ny hanomana ny fotoam-pivavahana indray izy. Tsy noraisiny akory ny Baiboly hamakiany ny Tenin'Andriamanitra. Niova fihetsika mihitsy izy tamin'ity indray mitoraka ity. Aiza ve ka hatramin'ny hira fanaony alohan'ny hatoriana avy no niova ! Ankoatra izany dia tsy mba naka toerana manokana hivavahana akory izy fa avy dia nitsilailay teo am-pandriana mitana ny fihiranany. Hira hafa mihitsy no novetsovetsoiny mora teo. Ny hira fanaony hatramin'izay manko, ohatra, dia ny hoe : "Efa hariva Jesoa tia, Tomoera aminay, Ny fanahinay tahio Fa hatory izahay" (...) "Ianao no mitahiry Ny mialoka Aminao Voahodidin'ny anjely Ny mialoka Aminao" Hira tsy mifanaraka amin'ny tokony hatao alohan'ny hatoriana mihitsy no nataony tamin'ity indray maka ity dia ilay mitondra ny lohateny hoe : "Veloma no apetrako". Hira faha-454 amin'ny fihirana FFPM io, hira vao avy nampianarin'i Maria namany tsy nifankafoy taminy tamin'ny tolakandro. "Veloma ianao Ry izao tontolo izao Izaho tsy tamana aty, Veloma ianao. Veloma, fa ao aloha ao No tany izay honenako, Ka maika aho mba hankao Handray ny fitsaharako. Veloma ianao Ry izao tontolo izao Izaho tsy tamana aty Veloma ianao". Naverimberin'i Soa tao am-pandriany io hira io mandra-pahatongan'ny torimasony. Rehefa ela no nametsovetsoany toa izany dia resin'ny torimaso izy ka tsy nahatsiaro izay ambonin'ny tany intsony. Dia nofiny, hono, fa nisy kalesy namirapiratra aok'izany tafiditra tao amin'ny efitrano natoriany. Tsy azony veroka mihitsy ny fomba nidiran'io kalesy io tao. Mbola tsy nahita kalesy toa izany izy hatramin'izay niainany. Toy ny fanjelatry ny masoandro ny fanjelanjelany. Tsy misy anarana hafa azony iantsoana azy afa tsy ny hoe kalesy afo. Raiki-tahotra i Soa. "Fambara inona ity" ? hoy ny eritreriny. Sady nangovitry ny tahotra izy no tsy nahatanty ny hijery ny famirapiratr'ilay kalesy ny masony ka nandohalika nihohoka tamin'ny tany izy.  Manahoana i Soa ? hoy ilay kalesy. Aza matahotra. Tsy hafa aho fa ny kalesinao ihany. Vao mainka koa zendana i Soa. Miteny ilay kalesy. Taiza no mbola misy fiara miteny ? Tsy nahahetsika i Soa fa nihararetra fotsiny teo. Mova tsy ireny azon'ny herinaratra ireny.  Manahoana i Soa ? hoy indray ilay kalesy. Aza matahotra. Mitsangàna. Tsy hafa aho fa ny kalesinao.  Manahoana, tompoko, hoy Soa somary kendakenda mila tsy hahaloa-peo.  Aza matahotra, hoy ilay kalesy fanintelony. Izaho no kalesinao. Nirahan'i Zanahary aho haka anao izao dieny izao tsy misy hataka andro.  Kalesiko hoe ? Mba miangatra kosa lahy ianao ! Fomba ahoana no hahakalesiko anao ?  Mbola tsy fantatrao izany ankehitriny, hoy ilay kalesy, ho avy ny fotoana hahafantaranao ny aminao rehetra toy ny mijery fitaratra. Fa izao e : nirahin'i Zanahary aho haka anao ary nofeperany tsy hiverina any Aminy raha tsy mitondra anao miaraka amiko.  Haka ahy ahoana ?  Haka anao araka ny vetsovetso nataonao talohan'ny natorianao.  Vetsovetso ahoana ? hoy Soa somary lasa saina kely.  Talohan'ny natorianao ange ianao ka efa nanao veloma izao tontolo izao e ! Naverimberinao impolo kely ny hoe : "izaho tsy tamana aty, veloma ianao". Henoy ange ny vetsovetsonao e : "Veloma ianao Ry izao tontolo izao Izaho tsy tamana aty, Veloma ianao. Veloma, fa ao aloha ao No tany izay honenako, Ka maika aho mba hankao Handray ny fitsaharako. Veloma ianao Ry izao tontolo izao Izaho tsy tamana aty Veloma ianao".  Araka izany hira izany dia efa maika handray ny fitsaharana ianao. Ren'i Zanahary ny hetahetanao ka nirahiny aho haka anao. Moa tsy faly ve ianao nahazo valim-bavaka avy hatrany ?  Ka mba hira novetsovetsoiko teo fotsiny anie iny fa tsy vavaka akory e ! Mbola tsy vonona ny handeha izany mihitsy aho. Mbola be ny adidy miandry ahy.  Na vetsovetso no ilazanao azy na vavaka, teny niloaka ny vavanao izany ka ren'i Zanahary. Zaranao aza nahazo valim-bavaka avy hatrany. Tsy niandry ny andro haraina akory.  Tokoa raha mba vonona ny handeha izany aho ! Hira vao nampiarin'i Maria ahy tamin'ny tolakandro io ary naverimberiko mba ho tadidy tsara.  Nanao vava azon-Janahary ianao. Ny mamerin-teny no sarotra.  Ka tsy vonona ny handeha izany aho e ! 'Ndeha re miverina any amin'izay naniraka anao e ! Dia lazao Azy araka izany fa mba hirahira nataoko fotsiny iny fa tsy faniriana na vavaka na vetsovetsom-po. Nifanjinja teo ilay kalesy afo sy i Soa. Ilay kalesy moa anton'asany sy antom-pisiany mihitsy izao anton-diany izao. I Soa kosa nidrikina tsy nanaiky handeha mihitsy. Rehefa ela ny ela dia nilefitra ihany ilay kalesy afo. Alohan'ny hisarahany anefa dia nanafatrafatra fatratra an'i Soa izy hoe : "aza mba manao vava azon-Janahary izany intsony amin'ny sisa. Avo fitoetra Andriamanitra fa ambany fijery ary manara-maso ny zava-mitranga ety ambonin'ny tany ambany masoandro. Tsarovy fa resaka ifanaovana Aminy ny hira ao amin'ny fihirana ary aoka hifanaraka hatrany ny teny miloaka ny vava sy izay ao am-po". Toy ny indray nielatra dia tsy hitan'i Soa intsony ilay kalesy afo. Ny hafatra napetrany kosa dia tsy nisy nidila fa notehiriziny tao am-pony. Nanomboka hatreo dia nitandrina fatratra i Soa isaky ny hiteny sao dia manao vava azon-Janahary. Masinandro tamin'io koa dia nampahafantariny ny tapaka sy namana ary ny mpiara-belona nifanerasera taminy ny anjara toeran'ny hira ao amin'ny fihirana eo amin'ny fifaneraserana amin'Andriamanitra. Any izay ilay Kalesy afo ! Frantsa, 25 febroary 2006 Antsiva  MAIZINA ANTOANDRO jeudi 24 avril 2003, napetrak'i / mis en ligne par Antsiva Am-bolana maromaro tokoa izay no tsy nandrenesan'i Raozy ny vaovao avy any amin'i Bena. Impolo kely izy manoratra fa tsy misy valiny mihitsy. Resin'ny torimasom-panadinoana sahady ve ny malalany sa sahirana amin'ny asa fivelomana ka natao ankilabao ilay dinam-pitia ? Sanatria ve ka ho toy tanalahy ny fon'ilay olon-tiany ka ho mora niova loko ? Mihivingivin-doha i Raozy. Tsy eken'ny sainy na oviana na oviana ny fomba fiteny mahazatra ny maro hoe : lavitry ny maso, lavitry ny fo". Tsy voatery ho lavitry ny fo mandrakariva ny lavitry ny maso. Vao mainka aza akaikin'ny fo bebe kokoa ka mampirongatra ny fahatsiarovana rehetra hatramin'izay farany madinika indrindra. Ny firongatan'ireny fahatsiarovana ireny indrindra no vao mainka toa manamafy orina ao anatin'i Raozy ny finoana fa toy ny lamban'akoho ny fifankatiavan'izy sy Bena ka faty no hisarahana. Izany indrindra koa no mampihivingivin-doha azy ka andavany ny fiheverana fa niova i Bena. Heveriny fa rehefa tia dia tia. Tokam-po tahaka ny siny izy. Arakaraka ny fandalon'ny andro sy ny fotoana anefa no ahatsapany fa niova i Bena. Ny mahavariana anefa dia ity : na dia tsapany izao aza fa nisy fiovana ny fifandraisany tamin'ny malalany dia tsy eken'ny sainy mihitsy ny mety ho fahamarinany. Tsy eken'ny sainy ny mety ho fahamarinany ka tsaroany ho maizina aminy ny tany aman-danitra. Mba manontany vaovao mikasika ilay olon-tiany amin'ny fianakaviana sy ny tapaka sy namana ary ny olom-pantatra ihany koa izy nefa aim-bery maina daholo ireny rehetra ireny. Toa miala bala avokoa ny rehetra. Lasa ihany ny fisainany nefa niniany nampanginina ny eritreritra hafahafa rehetra izay mila hampisafotofoto ny tontolom-pihetseham-pony. Raha ny faniriany dia ny hahita maso an'i Bena mihitsy, ny hiresaka sy hanontany azy mivantana hisorohana ny fisafotofotoana. Tsaroany ho mihatakataka aminy tsikelikely ny olona rehetra. Hatramin'izay noheveriny ho namana akaiky teny Malaza sy Tongarivo, mpiara-mizara ny manta sy ny masaka taminy aza toa nanjary vitsy teny sy zara raha hanoratra. Tsy mba misy telefaonina rahateo koa moa ao amin-dry Bena. Raha mba nisy mantsy dia mety ho mora taminy ny nifampiresaka taminy mivantana. "Ny mety ho vaha olana tsara indrindra angamba, hoy ny eritreriny, dia ny mandeha any Madagasikara mihitsy. Amin'ny fomba ahoana anefa ? Tsy Andravoahangy sy Analakely izy ity ka ho vita dia an-tongotra." Raha mba nanana elatra hanidinana i Raozy dia mety ho efa nikopaka elatra hatry ny ela. Tsy vorona anefa izy ka hanana elatra, ary na dia atao hoe ho vorona aza izy ka ho nanana elatra, hahatonga aiza moa izany ? Lavitra loatra ny elanelan-tany ka mety ho reraka am-panidinana. Te handeha fiaramanidina koa izy saingy tsy ampy ny hoenti-manana. Ranomasimbe midadasika no hiampitana... Amin'ny fomba ahoana anefa ? Tanimena ve hirehitra ? Raha ny vola kely mba azony isam-bolana indray, ny ahatongavany no ela dia iny no hofan-trano, jiro, rano, sira, vary, laoka. Iny koa no silisilirany hiantohana ny fividianana ny fitaovam-pianarana sy ny fivezivezena etsy sy eroa ary ny adidy aman'andraikitra samihafa. Matetika mihitsy no tsy mbola mifarana akory ny volana dia efa misy lavaka ny kaontiny. Efa leon-davaka mihitsy izy. Mba te hanana ny ampy toa ireo noheveriny ho nahazo tombom-pahasoavana. Raha mbola azony sorohina ihany dia tsy tia misambo-bola aman'olona koa anefa izy. Tsy tantin'ny sainy mihitsy izany hoe ho volan'olona mandehandeha izany. Ny kely ananana no ahiratra ka dia aleony mihafy amin'izao. Nanitikitika azy tokoa ny tenin-dRanoro mianaka manao hoe : hisy azy i Raozy ka nilany fanazavana. Tao an'eritreriny mihitsy ny finoana fa tsy tongatonga ho azy izany fitenenana izany. Hitsikitsika tsy mandihy foana fa ao raha. Tsy tohany ny mahita azy mianaka toa manodinkodina fotsiny ny resaka fa tsy mitsotra avy hatrany. Tsy ariny intsony ka nanontaniany :  Fa inona marina no mahatonga anareo mianaka hiteny hoe hisy azy i Raozy e ?. Aza ahodinkodina ny resaka fa tsory toy ny tsinaim-balala. Vonona hihaino aho ka lazao.  Miala tsiny indrindra Raozy, hoy Ranoro, fa tena mahasadaikatra anay ny hamaly ny fanontanianao. Tsy lavina fa niteny izany izahay. Aiza tokoa moa no hanampoizanay fa ho renao ny teninay ? Sanatria tsy nifosa anao izahay fa mba resaka nandeha teo. Koa ialan-tsiny, ialam-pondro raha toa ka nanohina anao ny teninay.  Teny tsy loa-body no ataonareo ka ilako fanazavana, hoy Raozy efa tsy mahatombin-tsiraka intsony. Efa tena mampitaintaina ahy fatratra izy izany. Lazao re, lazao fa vonona hihaino aho.  Ka maninona moa raha miaraka aminay any an-trano ianao Raozy dia any isika no manohy izao resaka izao ?  Hiaraka aminareo any an-trano ? Hiaraka aminareo ? Fa inona no antony tsy ilazanareo amiko mivantana izany eto fa mbola arirarira sy iandrasana fotoana hafa indray ? Vakio bantsilana eto hiaraha-mandre fa efa tena tsy aritro mihitsy izy izany, hoy Raozy mandodona dia mandodona. Lazao, lazao fa vonona hihaino aho.  Tsy izany re Raozy fa tena mahasanganehana anay mianaka mihitsy ny hilaza ilay izy aminao ô, hoy Soa nitsatsaingoka. Raha tsy izany ve tsy efa ho voalaza taminao hatry ny ela.  Eisy e ! Niresaka ny momba ahy ianareo nilaka nilaka ka nony fotorako no milaka mihohoka ? ...  Tsy nilaka nilaka izany izahay fa tena sanganehana tokoa. Nangoraka anao mafy izahay. Izany indrindra no nahatonga ny nitenenanay hoe hisy azy i Raozy !  Tsy miaraka intsony angaha ianareo sy Bena ?, hoy Soa tsy naharitra.  Fa nahoana ?  Ianao aty, izy any Dago.  Ka maninona ? Ny fitiavana angaha voasakan'ny elanelan-tany ry Soa a ! Tokam-po tahaka an'i Siny aho. Izy koa torak'izany.  Dia tena mino ve ianao fa tokam-po tahaka ny siny izy ?  Ka hita fa izany fa i Soa ity koa re !  Ka maninona ary izy no tsy manoratra ho anao intsony ?  Mety ho sahirana izy. Iaraha-mahalala ny fahasarotam-piainana any. Iza no mahita ? Mety ho niova adiresy ihany koa.  Tsy niova adiresy izany izy, hoy Soa. Talohan'ny niaingako aho mbola nahita azy teny Andoharanofotsy. Raha araka ny filazany dia toa hoe hanambady izy.  Niteny izany tokoa ve izy ? Hitanareo fa tokam-po tahaka ny siny izy ! Fa maninona kosa ary izy no tsy miteny amiko mba hiomanako ?... Mba andro iray eo amin'ny fiainanay io.  Ka hitako nifampisakambina taminy teny an-dàlana mihitsy anie ny ho vadiny ry Raozy e !  Tsy i Bena kosa angamba no hitan'i Soa fa olona mitovy.  Mba tapaho ny lohako raha tsy i Bena iny.  Aza miteniteny foana tahaka izany, ry Soa ô, hoy Ranoro. Heverinao ho moramora angaha izany ho tapa-doha izany.  Mba fomba fiteny fotsiny ange izany ry Nenitoa fa tsy hoe dia hotapahina tokoa ny loha e !  Na izany aza... Tsy te handre anao mampiasa izany fomba fiteny tsy maotina izany intsony aho. Aleveno impito mandifotra olona izany. Ny teny tsara tsy tambo ka mi...  Ka i Raozy ange tsinona tsy mino izay lazaiko e !  Satria ve tsy mino izy dia hiteniteny foana ianao ? Maro ny teny tsara azo ampiasaina koa nahoana no izany no mivoaka ny vavanao ?  Ka izay no mahazatra ahy ange e !  Fahazaran-dratsy izany...  Toa izaho indray ity no mahatonga anareo mianaka hifanditra eto. Tsofy rano aho handeha amin'izay fa ny korana tsy mahavingo, ny diondrano tsy ho lany ary ny resaka, hono, tsy hasiso rahoviana ka aleo ho zokin'ny aoriana. Efa mihevitra ny hanambady izany i Bena. Koa iza moa no hovadiny fa tsy izaho ? Mba mody nanaovany vazivazy ianareo dia tsemboka alohan'ny tompony. Izaho aza tsy rototra akory. 'Ndeha hijerijery magazay aho sao mba misy fitaovana mety ho takatry ny tsena hoenti-miatrika ny raharahanay. Tsy nampoizin-dRanoro mianaka ny fihetsiky Raozy teo am-pandrenesana ny vaovao momba an'i Bena. Nahiany ho safotra na ho torana am-pitsanganana ity tovovavy raha mandre vaovao hafahafa mikasika ny olon-tiany. Tsy araka ny haben'ny fanahiany anefa ny zava-nitranga. Toa tsy nampihontsina azy akory ny voalaza fa vao mainka aza nahavelom-bolo sy nahabe fanantenana azy.  Tsy mifanditra izahay fa mifanazava hevitra fotsiny ihany, hoy Ranoro. Misy fomba fitenin'i Soa mampari-koditra ahy loatra ka tsy tiako haveriny intsony. Ny teny tsara tsy tambo... Ianao, hono, tsinona tsy mino izay lazainy.  Ka fomba ahoana tokoa moa no hinoako ny nolazainy ? Efa nanome toky ahy i Bena fa tsy ho tia afa-tsy izaho irery. Nanome toky tokoa i Bena fa tsy hivadi-bolana, tsy hivadi-panekena, ho fitia lamban'akoho ka aina no fetra. Nandritra ny enim-bolana voalohany nandehanan'i Raozy taty Andafy aza dia nahavatra nandefa taratasy isan-tapa-bolana izy. Nihanahalana izany taty aoriana kely ary farany dia tsy nisy mihitsy. Tao anatin'ny enim-bolana izay dia niova tanteraka ny fiainan'i Bena. Notaomin'ny namany handeha boaty izy indray maka dia tafahaona tamin'i Fanja mpiara-mianatra tamin'i Raozy, mipetraka ao Tanjombato. Tovovavy mihetsiketsika sy be lamaody izay i Fanja. Tsy mivoaka ny trano raha tsy voaisy lokomena ny molotra, ny volomaso nohamaintisina tsara, ny hodi-maso hosorana vovo-doko mifanaraka amin'ny akanjo sy ny kiraro. Ny hohon-tànana lava dia lava sady voakojakojany fatratra ery. Minia mamboamboatra tena toa izany izy hisintonana ny fijery sy ny fon'i Bena. Tsy nahavoa anefa ny tetiny satria tany amin'i Raozy no niantefa ny fitiavan'ilay tovolahy. Nony lasa niondrana nankany Andafy kosa i Raozy dia velona indray ny fanantenan'i Fanja. Nikatsaka izao vela-pandrika rehetra izao izy hamandrihana sy hanjonoana ilay zanak'olona.  NY TENY TOY NY ATODY mardi 15 avril 2003, napetrak'i / mis en ligne par Antsiva Mitataovovonana tamin'izay. Manga ny lanitra. Manga, tsy nosembanin-drahona kely akory. Nisava ilay raho-mainty nanamatroka azy ny omalin'iny. Injay mitsoka toa mibitsika mora ny rivo-malefaka tsy fanta-pihaviana nefa mitondra fifaliam-po tsy hay lazaina. Ny siokam-boronkely koa injany toa midera ny Mpahary manoloana ny hakanton'ny zava-boahary izay satry hodoriavin'ny mason-tsaina sy ny vata sarihan'ny fitadidiana. Mamiratra ny masoandro izay mandefa ny tara-pahazavany amin'ny ambanilanitra. Manomboka mihiratra ihany koa ny androm-piainan'i Soa, zazavavy liam-pivoarana vao tonga avy any Madagasikara tsy ela akory izay. Toa miombom-pifaliana aminy ny natiora ka finaritra ery izy mandinika ny hakanton'ny voninkazo mamelana eny an-jaridaina. Iray volana sahady izay no nahatongavany, iray volana nefa toy ny vao omaly. Tsy nahatsiaro ho vahiny mihitsy izy noho ny fandraisana mahafapo nataon-dry Ratojo telo mianaka azy. Tsy vahiny rahateo fa toy ny naloaky ny kibo mihitsy no fiheverany sy fitondrany an'i Soa. Zanaka an-trano e ! Faly koa i Jaona kely nahazo anabavy sady amin'izay anabavy mahay mifanara-tsaina aminy rahateo na dia eo aza ny elanelan-taona. Ao Malakoff, ao amin'ny departemantan'i Hauts-de-Seine (92) no mipetraka ry Ratojo mianakavy. Tsy dia lavitra loatra an'i Paris io toerana io ka tsy manahirana ny fifamoivoizana. Tompon-trano ry zareo fa tsy mpanofa tsy akory. Malalaka tsara, misy efitra dimy ny tranony. Misy lavarangana kely ahazoana mitazantazana ihany koa. Vitan-dRanoro toy ny kindriandriana ny tokantranony ka finaritra ery i Soa miara-miaina amin-dry zareo ao. Hatramin'ny karipetra fanitsaky ny tongotra avy no toy ny tsy misy pentina kely akory akory. Nandritra ny herinandro voalohany nahatongavany dia natorotoro azy daholo ny amin'ny fiaimpiainana aty Andafy, ny làlana samihafa sy ny fomba fandraisana metro sy bus. Tsy lavitra ny metro misy ny zotra fahatelo ambin'ny folo mampifandray an'i Chatillon-Montrouge rahateo moa i Malakoff ka tsy manano sarotra ny fivezivezena. Eo rahateo koa ny fiarabe mpitatitra olona toy ny zotra faha-enina amby roapolo amby zato izay ahazoana mandeha hatrany amin'ny Porte d'Orléans. Efa manomboka ho za-dàlana tokoa izy izao. Efa afaka mandeha irery amin'ny metro sy bus. Tanteraka ny faniriany. Tsy ao anaty boky fotsiny no ahitany endrika izany hoe Andafy izany fa tena iainany mihitsy. Nahasondriana azy ery ny fahitana ny fijoalajoalan'ny trano etsy sy eroa. Variana ery izy mahita ny hamaroan'ny fitaovam-pifamoivoizana aty am-pitan-dranomasina. Ao ny bus, ny metro, ny RER, ny TRAM, ny fiarakaretsaka... Ao koa ny fitsangatsanganana amin'ny péniches, sambo mamakivaky an'iny reniranon'i La Seine iny ary ahazoana mijery ireo sita manan-tantara eto Paris. Toa misy mpandeha hatrany anefa izy rehetra ireny. Tsy mahagaga moa izany. Toerana ifanjevoan'ny karazana olona maro i Paris.  Aty amin'ny tany mandroso marina tokoa, hoy izy miteny irery. Aiza ho aizan'izao ny any amin'ny tany an-dalam-pandrosoana ? Nojereny ny arabe ka tsy mba misy kiloadoaka izany mihitsy sady malalaka tsara. Tsy nipetraka mihitsy izy ny herinandro voalohany nahatongavany fa entin-dry Ratojo telo mianaka mijery tanàna sy mitsidika an'i Paris. Fa ny anisan'ny nahamay azy indrindra dia ny hahita izany Tour Eiffel izany. Ela tokoa no naharenesany ny lazany ka ho fatiantoka lehibe mihitsy hoy ny eritreriny, raha anarany no mba hoe tonga aty Andafy ihany nefa tsy mba niserana kely akory any amin'iny toerana misy io Andriambavin'i Paris io. Andriambavin'i Paris mantsy no fiantsoan'i Soa ny Tour Eiffel. Toy ny andriambavin'ny haikanto sy ny hairaha ary ny hatsaran-tarehy izato izy sady manerinerina aok'izany ka manintona ny mason'izao tontolo izao.  Angaha tsy fantatr'i Jaona kely fa io andriambavilanitra io no tena anisany maha-Paris an'i Paris ? Mihomehy ery i Jaona kely rehefa mandre an'i Soa miteny izany. Aminy mantsy dia vy be tsy manana aina ny Tour Eiffel. Amin'i Soa kosa anefa dia heveriny ho toy ny olona mihitsy, olona manana ny maha-izy azy eo amin'ny fiainam-piaraha-monina : andriambavy. Fomba ahoana no ahalalana fa lahy na vavy izy io ? Fanontaniana manitikitika an'i Jaona tokoa izany ka tsy ariny ny hametraka azy amin-jokiny. Andriambavy aho, andriambavy. Ha, ha, ha, ha, ha, ha, ha... !Andriambavy hono re ! Ha, ha, ha, ha, ha, ha, ha...  Vy be mirijarija sy mijoalajoala io, hoy izy, ka aiza no maha-andriambavy azy eo ?  Amiko io dia andriambavy, hoy Soa.  Ahoana koa no ilazanao fa vehivavy io ? Maninona no tsy natao hoe andriandahy ?  I Jaona koa re dia efa tserany ery ! Izany no mba tiako hiantsoana azy.  Amiko dia Tour Eiffel io, hoy Jaona. Tsy tokony hovana izany ny anarany.  Fa izaho angaha manova ny anarany ry Jaona a ! Tour Eiffel foana io fa aza manahy ny amin'izany ianao. Mila tsy hifarana ny adi-hevitr'izy mianadahy alohan'ny hiaingana. I Jaona kely moa tia mitsongo teny sy be fanontaniana rahateo ka mila hivoaka sempotra mihitsy i Soa ho fanomezam-pahafaham-po ity zandrikeliny.  'Ndao itsy izy handeha amin'izay, hoy Ranoro, fa lasa dia lasa ny fotoana. Hitaingina bus 126 isika mandra-pahatonga any amin'ny Porte d'Orléans. Avy eo dia mandray metro zotra fahefatra ary miova zotra rehefa tonga ao Denfert-Rochereau ka handray ny zotra mampifandray an'i Nation sy Charles de Gaulle étoile ary miala ao Bir-Hakeim. Sa ahoana Ratojo ?  Izany angaha misy hiadian-kevitra intsony Ranoro ô ! Rehefa laninao dia tiako sady hanahirana koa ny hitady toerana hametrahana ny fiara. Araka izany dia tsy nitondra fiara ry Ratojo fa naleony nandeha bus sy metro tamin'izao diany ho any amin'ny Tour Eiffel izao. Nisy vehivavy malagasy iray izay tafara-dia tamin-dry zareo tao anaty metro ary nanoko resaka avy hatrany tamin'i Soa :  Gasy ianao ?  Eny tompoko, hoy ny famalin'i Soa.  Manahoana ?  Manahoana tompoko ô !  Vao tonga angaha ianao ?  Eny tompoko  Ka oviana no tonga ?  Tamin'ny iray volana.  Tamin'ny iray volana ?  Eny tompoko.  Ka hipetraka sa mandalo ?  Hipetraka  Ka aiza no mipetraka ? Tsy misy iainana mihitsy ny fanontanian'ity olona miresaka aminy ity. Na izany aza anefa dia niezaka namaly azy araka izay azony natao i Soa.  Any Malakoff.  Manofa trano ve ?  Tsy manofa trano ka !  Mipetraka amana olona ?  Mipetraka amana olona. Ao amin'ny rahalahin-draiko.  Ary ianao tompoko ? Mipetraka eto ianao sa mandalo ?  Efa herintaona izay no nahatongavako.  Ka tamana ?  Tsy maintsy atao izay ahatamana e !  Ka mianatra ianao sa miasa ?  Sady mianatra no miasa.  Azo atao ve izany hoe sady mianatra no miasa izany ?  Azo atao tokoa.  Ka aiza ianao no miasa ?  Ao amin'ny toeram-pivarotam-boky iray ao Paris ao.  Ka hisy fotoana hianarana ve izany ? Tapaka tsy fidiny ny dinika satria tonga tao Bir-Hakeim ny metro.  Bir-Hakeim ? Bir-Hakeim. Eto izahay no midina koa veloma, tompoko, hoy Soa.  Hay midina eto ianareo ?  Eny tompoko.  I Raozy no anarako, hoy izy somary niteny maimaika. Veloma.  Veloma e ! hoy Soa. Tovovavy eo amin'ny fahatelopolo ranonorany eo i Raozy. Herintaona tokoa izay no nahatongavany taty Andafy. Fifaliana ho azy ery ny mihaona amin'ny mpiray tanindrazana toa an'i Soa ka mitari-dresaka avy hatrany izy. Zary fomba fiteny tsy afaka am-bavany ny hoe : "ka oviana no tonga" ? "Mandalo sa hitoetra ? Ka aiza no mipetraka ? Rahoviana no hody ?... . Dodoria avy eo ny fanontaniana.  Fantatrao angaha i Raozy ? hoy Ranoro tamin'i Soa nony tafavoaka ny metro.  Sambany aho nahita azy, hoy Soa.  Ka toa nafana ery ny resakareo ?  Ka tia misikotsikotra tahaka ny inona mihitsy izy, hoy Soa. Hoatra izany daholo ve no ataon'ny Malagasy aty Andafy rehefa mahita Malagasy ?  Samy manana ny toetrany ny olona, hoy Ranoro. Ao ny misariaka mahafinaritra tokoa, ao ny tia hadinkadina, ao ny be tsy miteny, ao koa anefa ny miavonavona. Mbola tsy sendra ny miavona ianao. Hodiany tsy hita na hodiany tsy fantatra fotsiny izao.  Fantatrao angaha i Raozy ?  Fantatro tokoa. Izy no fofombadin'i Bena zanak'Ingahy Rabedaoro any Andoharanofotsy.  Fofombadin'i Bena? I Bena ao Andoharanofotsy ? Sao dia mba Bena hafa kosa ry Nenitoa ?  Fa ahoana?  Fantatr'i Nenitoa i Fanja eny Tanjombato ?  I Fanja iza ry Soa ?  I Fanja zanak'Ingahy Razily mpandon-koditra e !  I Fanja zanak'Ingahy Razily mpandon-koditra ?...  Ie. I Fanja zanak'Ingahy Razily mpandon-koditra. Iny no miaraka amin'i Bena. Tsy efa vita aza angamba izay ny fanambadiany ?  Ka tsy hisy azy ve i Raozy ? Sao dia mba Bena hafa kosa no fantatr'i Soa.  Mba tapaho ny lohako raha tsy i Benan'i Fanja izany.  Aza miteniteny foana toa izany ry Soa ô ! Angaha heverinao ho mora izany hoe ho tapa-doha izany ?...  Mba fomba fiteny fotsiny ange izany e ! Tapaka tampoka ny resak'izy mianaka. Raha niherika Ranoro dia nahita an'i Raozy tao aoriana. Hay i Raozy tsy nanohy dia fa nitsoriaka nivoaka ny metro. Toy ny nisy andriamby nanesika azy hivoaka toa izany. Noho ny hamaroan'ny olona dia tsy hitany ny nalehan-dry Soa. Nandeha goana fotsiny izao izy. Tsitapitapitr'izay anefa dia tazany ry zareo. Toa nisy hery nanakana azy tsy hanatona akaiky aloha ka dia narahiny moramora avy eny lavitra eny fotsiny. Nony kelikely, tsy ariny intsony ka nantomoriny akaiky dia akaiky. Tamin'izay indrindra no nandrenesany ny hoe : ka tsy hisy azy ve i Raozy ? Sao dia mba Bena hafa kosa no fantatr'i Soa ?  Bitsibitsiky ny lava nify ka ny lavitra ihany no mahare aloha, hoy Raozy. Tsy nampoizin-dRanoro mianaka ny fahatongavan'i Raozy ka niara-niredona izy hoe : Raozy !  I Raozy ihany ity, hoy izy tsy naka sarotra. Nohadinoiko ny nanontany ny anaran'i Mademoazely ka mba tiako hofantarina. Hoatra ny olona fantatro mihitsy mantsy i mademoazely fa tsy tsaroako fotsiny hoe taiza na oviana no mety ho efa nihaonantsika.  Izany ve, tompoko ? hoy Soa.  Aoka moa izay ity tompoko, tompoko ity, hoy Raozy naka mora. Raozy no anarako. Ary ianao ?  I Soa, tompoko.  Aoka re ity tompoko, tompoko ity ry Soa, hoy Raozy nanamafy hatrany. Antsoy hoe Raozy aho. Raozy dia ampy.  Eny ary tompoko, hoy Soa.  Ka efa hoe Raozy dia ampy ka mbola tompoko, tompoko indray. Azafady re fa Raozy izany dia ampy e !  Fa hono ho'aho, mahalala an'i Bena angaha ianareo ? I Bena ao Andoharanofotsy. Tsy nahitan-teny toy ny sifotra nalan-doha izy mianaka ka samy tankina teo.  Ity ankihikeliko ity dia milaza amiko fa mahalala azy ianareo, hoy indray i Raozy, sady narahiny fihetsika kely. Reko tsara ange ny teninareo teo e ! Izany no nitenenako hoe : bitsibitsiky ny lava nify e ! Ny teny tsinona toy ny atody ka raha foy manana elatra.  Mahalala azy izahay, hoy izy mianaka indray niredona.  Ka taiza no nahalalanareo azy ? Sa misy lafim-pihavanana ?  Teny Andoharanofotsy, hoy Soa. Misy havanay koa eny.  Ary ahoana no ilazanareo hoe hisy azy i Raozy ? Marary angaha i Bena ka tsy tiana hambara ahy sa misy inona ? Efa ela aho mantsy izao tsy nahazo taratasy avy aminy intsony. Nahasadaikatra azy mianaka tokoa ny hamaly izany fanontaniana izany. Handroso maty raibe, hihemotra maty renibe. Frantsa 11 aprily 2003 Antsiva  TAO AORIAN'NY NAHAFATY AN'I DADA. jeudi 17 juin 2004, napetrak'i / mis en ligne par Railovy Alatsinainy 4 septambra. Ilay feon-telefonina lavareny no nanaitra ahy. Nitady ny fandrehetan-jiro tsy satry ny tanako ary nanapiaka tsy nisy fieritreretana. Nitopy teny amin'ny famataranandro ny masoko : amin'ny roa ora sy sasany mahery dimy. Tonga dia azoko veroka fa tsy toy ny isan'andro ity antso ity. Na maro amin'ireo namako aza no mpirevy tsy matory alina dia hinoako fa tsy hisy amin'izy ireo no sahy hiantso ahy amin'izao ora izao. Madagasikara ? Sivy ao anatin'ny folo ny vintana mety hahamarin'izany.  Jàha, maty i Papa fa tongava… Terminal 2A, Porte 53. Teny an-tseranana teny Roissy aho ny afakampitso marainan'iny. Vitsy ny mpadeha ary vazaha ny ankamaroany, mpizaha tany angamba. Teo amin'ilay lalantsara miazo ny fidiran'ny fiaramanidina, Ramatoa lehibe tokony eo amin'ny enim-polo taona teo ho eo no teo anoloako. Topi-maso dia tsiky kely amin'ny maha-samy Malagasy. Ny fanontaniana voalohany napetrany dia ny hoe :  zanak'iza ianao ? Zanak'iza ? Fanontaniana tokana saingy niverina tao an-tsaiko tamin'izay fotoana izay ireo sanda maro mamatotra ny fiainan'ny Malagasy, sanda noheveriko efa adino tamin'ny fotoana ela nandaozako ny Nosy. Raha maso tsy miangatra dia farafaharatsiny ny taona azo omena ahy dia toy ny an'i Jesosy Kristy tamin'ny fotoana nanamelohana azy, nefa ny zavatra manitikitika ny sainy voalohany mikasika ahy dia ny anaran'ny raiko. Zanak'iza ? Tamin'izay fotoana izay indrindra no nanomezako ny tapa-kila fiondranana an'ilay hôtesy teo ambaravaran'ny raopilany. Feo miangaly sy tsiky mahalala-fomba no nitenenany ilay teny mahazatra hoe : « Bonjour et bienvenue…. » Azoko antoka fa efa im-polo kely izy no niteny izany, ary anisan'ny asany ilay izy, fa raha mba fantany mantsy fa ny faniriko dia ny ho tongasoa… indrindra fa ny manomboka amin'ny adin'ny folo aorian'izao. Tongasoa… Tongasoa any an-tanindrazana. Tongasoa rehefa avy nivahiny dimy ambin'ny folo taona garagidina taty am-pita. Tongasoa mba tsy ho vahiny hiatrika ny dimy ambin'ny folo andro sy alina hikarakarana ny rehetra. Tongasoa… Tsiky tsiravina aho, nihidy vazana nieritreritra izay mety ho tohiny. Ny naha-velom-panantenana ahy, tao anaty raopilany, dia sipa manja be no teo akaikiko.  Azafady, hoy izy, K48 ny toeranao ? Ny ahy K47 fa noheveriko ho tsisy olona dia nalaiko ny akaikin'ny varavaran-kely.  Tsy maninona, hoy aho, raha tianao dia tsy mampaninona ahy ny ho eo afovoany… Asa na fanahy iniana na tsy, fa io am-povoany io dia efa ela no tiako, izay angamba ny fahalemeko ? Tamin'izaho mbola nisento tamin'ny politika dia ry zareo « centristes » no mazàna nanintona ahy… Aleo aloha any izany rehetra izany fa efa hanainga ity ny raopilany. Natsofoko ny fehikibo dia ilay tenin'ilay mpiasa trano portigezy anikeo maraina raha nahita ahy nitarika ilay valizy mikodia no tsaroako : « bon voyazy, Mesé ». Arison Jaha Parisy janvier 2004  TSEMBOKA ALOHAN'NY MIEVOKA dimanche 11 mai 2003, napetrak'i / mis en ligne par Antsiva Tsy te hanohy resaka intsony i Raozy ka nangata-dàlana handeha. Toa misy hery hafa koa anefa manesika azy hijanona ihany. Sahiran-kevitra izy. Na inona na inona teny hataon-dRanoro mianaka dia efa vonona hiaro hatrany an'i Bena izy. Tsy hita moa, ny alika, hono, jamban'ny taolana, fa izy kosa jamban'ny fitiavana. Tsy te hamela an'i Raozy ho irery avy hatrany ry Ranoro ka niangavy azy mbola hijanona kely aloha hiaraka haka sary fahatsiarovana sy hiakatra eny amin'ny rihan'ny Tour Eiffel. Toa tsy nampaharisika an'i Raozy mihitsy anefa izany hiaraka haka sary sy hiakatra eny ambony eny izany. Mbola nanamafy ihany Ranoro ka niteny hoe :  Dia tapa-kevitra handeha tokoa ve ianao Raozy ? Tsy aleo ve mba miaraka aminay mananika ny Tour Eiffel aloha ?  Tsy maintsy mandeha aho fa aleo ho zokin'ny aoriana, hoy izy. Jereo koa ireto hamaroan'ny olona milahatra. Izaho maika rahateo. Hikatona ihany ny magazay.  Fa dia inona loatra ity mahamaika anao ? Mba andro iray hihaonana ity.  Boribory ny tany ka mihaona foana ramatoa ô ! Efa voalazako taminareo fa maika hijery magazay aho. Ity ny nomeraon'ny telefaonako raha te hiantso ahy ianareo. Noraisin-dRanoro ny taratasy kely natolony ary avy hatrany dia nampiriminy tao anaty pôketrany sady nisaotra azy izy. Avy eo dia niteny izy hoe :  Ary toa mbola tsy nomenay anao moa ny adiresinay ? Somary nisavasava taratasy tao anaty pôketrany izy dia nibanjina tsara an'i Raozy sady nanolotra azy karatra kely misy ny adiresiny ny ny nomeraon'ny telefaonany.  Ity ny adiresinay, hoy izy. Aza misalasala miantso anay raha misy ilana izany.  Dia voaray izany ity fa misaotra, hoy Raozy. Tsofy rano amin'izay aho handeha fa ny resaka tsy mahavingo.  Atao ahoana moa ! Ianao aza handeha.  Tsy maintsy mandeha aho. I Bena koa izany toa te hanampoka ahy amin'ny fanaovana ny raharahanay ka aleoko miomana dieny izao.  Tsy te hanampoka anao izany izy, hoy Soa.  Hanambady izy nefa ny olon-kovadina tsy ilazana akory. Moa tsy manampoka ve izany ?  Tandremo ihany Raozy sao ho diso fanantenana ianao.  Nahoana aho no ho diso fanantenana ? Efa tongotra mby an-dakana ny ahy. Veloma ianareo.  Veloma i Raozy, hoy izy rehetra indray niredona. Ny nandehanany no ela dia tsy taza-maso intsony izy. Be loatra tokoa angaha ny olona ka tsy ifankahitana. Nifandroritan'ny eritreritra samihafa ny fo sy saina aman'eritreriny. Nanaitra azy tokoa ny fandrenesana fa hanambady i Bena. Toa nilatsaham-baratra izy raha nilazana fa misy zazavavy hitan'i Soa niaraka taminy. Nanangona ny heriny rehetra anefa izy hanafenana hatramin'ny farany ny tena fihetseham-pony. Satriny horesena lahatra izao rehetra izao, horesena lahatra mikasika ny mahamafy orina ny fifankatiavan'izy sy Bena. Sarotra aminy ny hino na dia ho segondra iray fotsiny ihany aza fa hoe niova fitàna ny malalany. Aminy dia anisan'ny soa toavina ny fahaiza-manaja ny dina natao. Laviny an-kitsirano ny fanosihosena izany soa toavina izany. Rehefa lasa i Raozy dia niezaka tsy hieritreritra azy intsony Ranoro mianaka. Toa arakaraky ny finiavany hanompana ny eritreriny amin-javatra hafa anefa no vao mainka mampitamberina aminy hatrany ny fahatsiarovana an'i Raozy. Manjohy ity tovovavy ity hatrany ny saina aman'eritreritr'izy mianaka.  Tena tsy nampoiziko mihitsy ry nenitoa ny fihetsik'i Raozy.  Tena tsy nampoizina mihitsy.  Efa vakina betroka izao ny resaka nefa dia ireny no afitsony !  Efa novakina bantsilana teo anatrehany nefa dia....  Hmm, hmmm ! Isika indray no nolazainy ho tsemboka alohan'ny tompony. Tsemboka alohan'ny tompony, hono re, tsemboka alohan'ny tompony... Izany koa ve ry nenitoa dia mba fiteny ?  Tsemboka alohan'ny mievoka no fiteny fa tsy izany tsemboka alohan'ny tompony izany. Amin'ny fiainana andavanandro ny mievoka no tsemboka fa tsy ny mpijery na ny mpitazana fotsiny ihany.  Ny mpijery tokoa ve moa ho tsemboka ? Io no tonga amin'ny fitenenana hoe : "ny varin'i Balita no notondrahan-drony ka ny an'i Tarosy no manginanginana". Inona no ifandraisan'izany amin'ny resantsika teo ?  Raha raisina ara-bakiteny ny hoe mievoka dia tsy hafa fa fisalobonana ao anaty lamba miaraka amin'ny rano mangotraka nasiana ravin-kininina fotsy na ravinkazo hafa fanao fanafody. Tsy atao ao anaty rano ny endrika fa asalisaly eo amboniny eo ka tera-tsemboka sy mivoa-dinitra ary mivoajamala mihitsy vao mivoaka avy eo. Tsy kilalaon-jaza io fa fomba fitsaboana mihitsy teo amin'ny Ntaolo malagasy ary mbola misy manohy izany ny taranaka ankehitriny, indrindra ireo any ambanivohitra. Rehefa voan'ny sery na gripa na kohaka na rehefa mety ho aretin-tratra ny Ntaolo dia nampiasa izany mba hampahalalaka ny taovam-pisefoana.  Taovam-pisefoana ?  Taovam-pisefoana.  Ahoana moa izany ry nenitoa ?  Tahaka ny tsy avy any Madagasikara koa i Soa izany. Taovam-pisefoana ve dia tsy ho fantatrao fa aza mody adala eo.  Ka mba tiako hohazavainao kokoa ange e !  Izaho efa nipetraka ela taty Andafy indray ve no hahay izany noho ianao ?  Ka tsy resaka voambolana fotsiny ange fa fanazavana amin'ny antsipiriany ny amin'ilay voalaza teo e !  Ny taovam-pisefoana (appareil respiratoire) dia tsy hafa fa ny làlan-drivotra ahazoa-miaina. Tsy eo amin'ny orona ihany izany fa hatrany amin'ny havokavoka no ho miakatra. Indraindray misy toa rehoka manentsika ny làlan-drivotra madinika any amin'ny havokavoka any sy ny tenda ka mahatonga azy hangakàka. Rehefa tsembotsemboka iny ianao matetika dia te handrehoka. Ankoatra izay dia misy toa ranon-javatra mitsiloliloly mazana mivoaka avy ao anaty orona. Rehefa mievoka ianao dia tsemboka ary tsaroana ho manomboka miafana hatramin'ilay mangakàka tao an-tenda iny.  Marina tokoa izany ry nenitoa. Fa, hono, ho'aho, inona no tena ifandraisan'izany amin'ilay tenin'i Raozy hoe tsemboka alohan'ny tompony ? Aiza ve ka isika, hono, tsemboka alohan'ny tompony ! Eisy e ! Mba mahita raha koa re i Raozy ! Maninona no tsy nataony hoe tsemboka alohan'ny mievoka ?  Ka izay no mba tiany hilazana azy.  Manaiky izany teniny izany ve i nenitoa ? Dia tena tsemboka alohan'ny tompony tokoa ve isika ?  Fijeriny izany na hanaiky isika na tsy hanaiky.  Tsemboka alohan'ny tompony. Ha, ha, ha, ha, ha, ha, ha !  Inona no mampihomehy anao amin'izany ?  Mba te hihomehy fotsiny aho.  Hitsikitsika tsy mandihy foana fa ao raha...  Ka tsy mba mampihomehy an'i nenitoa ve izany fomba fiteny hoe tsemboka alohan'ny tompony izany ?  Tsy mampihomehy ahy mihitsy izany.  Ka isika anie izany no tsemboka alohan'ny tompony e ! Nefa raha i Raozy ve ry nenitoa no mievoka dia isika no ho tsemboka ?  Nefa dia izany mihitsy no fijeriny azy.  Tokony ho teny hafa no nampiasainy fa tsy io. Tsy mifanaraka amin'ny zava-misy mihitsy. Izy anie ka tsy tsemboka mihitsy ry nenitoa e !  Ka sarin-teny ihany anie izany e !  Eny e, sarin-teny ary izany indrindra no ilazako hoe tsy tsemboka akory i Raozy. Tsy nanaitra azy akory ny tenintsika. Tsy rototra mihitsy izy. Olona tsy rototra ve ho tsemboka ? Isika no be fanahiana ambony ihany ka feno fangorahana azy fa toa tsy nasiany sirany akory izay nambarantsika.  Izay mihitsy no azo antsoina hoe fahatsembohana. Isika no sahiran-tsaina sy miady loha fa tsy izy. Efa vita aloha ny adidintsika ry Soa ô !  Izay aloha e ! Fa ny mampalahelo dia ity isika fotsy rora niteny fotsiny.  Inona no hampalahelo anao amin'izany ? Efa nambara azy ny marina. Afaka adidy amin'ny fatana isika.  Dia nolazainy fa ny korana tsy mahavingo. Isika anefa tsy nikorana.  Ka ny korana tian-kambara amin'izany dia tsy hafa fa ny resaka. Ny resaka tsy mahavingo.  Inona no tena dikan'izany ry nenitoa ?  Ny dikan'izany dia hoe : ny resaka tsy mandreraka. Izany hoe azo tohizana foana ny resaka. Mbola nampiany aza hoe ny diondrano tsy ho lany. Nohadinoin'i Soa angaha ilay hira hoe : Korano mangingina ? Resaka milamina, resaka mangingina no dikan'iny. Araka izany ny korana dia ilazana resaka ihany koa.  Fa inona tokoa moa ny diondrano ?  Ny diondrano ve ? Ka inona moa izany fa tsy ny fandiorano e ! Bibikely ao anaty rano izy io. Mitovitovy bika amin'ny tsikovoka fa somary kelikely kokoa. I Soa indray ve no hatoro izany ? Misy foana ny fandiorano, tsy mety lany. Izany no mahatonga ny fitenenana hoe ny diondrano tsy ho lany. Samy fiteny daholo na ny diondrano na ny fandiorano. Mbola nohamafisin'i Raozy indray aza ka nampiany hoe ny resaka, hono, tsy hasiso rahoviana.  Resaka tokoa ve moa hasiso ry nenitoa !  Ny sakafo matetika rehefa mialina andro dia masiso ka fanary sady tokony hariana. Ny resaka kosa dia azo tohizana amin'ny fotoana hafa indray. Izany no nahatonga an'i Raozy hiteny hoe : aleo ho zokin'ny aoriana.  Mbola manantena fihaonana izy izany ry nenitoa ô ?  Ny hoe aleo ho zokin'ny aoriana dia midika fa mbola hisy zandrin-dresaka ho avy. Zandriny inona moa ? Fomba fiteny ihany io.  Raha azoko tsara ny tena heviny dia izao : tsy te hiresaka amintsika intsony i Raozy dia nampiasa ireo fomba fiteny samihafa ireo.  Tsy hoe tsy te hiresaka amintsika intsony izy. Mbola te hiresaka tokoa izy saingy noheveriny fa tsy hanam-piafarana ny resaka raha tohizana ka aleo ajanona hatreo aloha dia hotohizana indray amin'ny fotoana manaraka.  Tena mbola mitana mihitsy anie i nenitoa amin'ny fahaizana teny malagasy e !  Hita ve izay hoe mahay ry Soa ô ! Hita ve izay hoe mahay ! Io no tonga amin'ny fitenenana hoe : mason-tsokina, masom-boalavo ka izay kely ananana no ahiratra. Tsy hita moa ! Malagasy koa anie ny tena ka aiza moa no tsy hahaizana teny malagasy e !  Hoy ianao... Fa angaha ny Malagasy rehetra no mahay miteny malagasy ?  Mampalahelo fa misy Malagasy tsy mahay miteny malagasy tokoa aty. Ny mahavariana aza dia misy efa lehibe izao vao niala tany Madagasikara nefa nony aty aoriana dia milaza ho nanadino ny teny malagasy.  Sady mampalahelo izany no mahamenatra. Tsy mamasoka be ve izany ry nenitoa sady manala baraka mihitsy ?  Mahavoa baraka koa aza no azo ilazana azy.  Fa tsy samy hafa angaha moa ny hoe afa-baraka sy voa baraka ?  Samy hafa ahoana ? Mifanahantsahana ihany ireo. Io moa dia arakaraka ilay olona miteny azy ihany koa. Raha ny marina dia mitovy ihany ny hoe afa-baraka sy ny voa baraka.  Mova tsy ireny mpampianatra teny malagasy ireny mihitsy i nenitoa.  Izany ve ? I Soa ity koa re... Aiza no izany eo ! Raisiko ho adidy ny mampita aminao izay mba kely fantatro.  Tena manohina ny foko tokoa izany teninao izany, hoy Soa sady nofihininy mafy Ranoro. Antsiva  ANDAFY lundi 31 mars 2003, napetrak'i / mis en ligne par Antsiva Andafy. Teny majika. Teny mampodimandry. Teny mampanonofy antoandro ny ankamaroan'ireo mbola tsy nahita izany. Anisan'ireny i Soa, zazavavy eo amin'ny fahavalo ambin'ny folo ranonorany. Farasisan'ny fanjanahan-tany no tena anisan'ny nahatonga an'i Soa ho babon'ny fomba amam-panao tandrefana toa izany. Babo tokoa ange izany e ! Ary angaha i Soa ihany ? Maro tamin'ireo niara-nihira taminy no nihevitra fa izay mamofona fomba amam-panao tandrefana dia filamatra avokoa. - Inona moa no tsy hisy any Andafy ? hoy izy ireny. Any no misy an-dRavola. Ny vola no hozatry ny fiainana. Ny fiainana tsy misy vola toy ny lanitra tsy misy masoandro ary toy ny alina tsy misy kintana amam-bolana. Rehefa eo kosa ny vola, mandeha ho azy ny fiainana. Manga ny lanitra. Azo daholo izay tian-kananana rehetra. Vita daholo izay tian-katsangana sy haorina rehetra. Maro ny mihevitra fa maniry hoatra ny ahitra ny vola any Andafy. Toa midika izany fa raha vao tonga any dia ho feno vola ny paosy, ny kaonty ka veloma lava Rafahoriana. Ny hahatongavana any no ela... Rehefa mijery sarimihetsika, ohatra, i Soa dia variana ery mahita ny hatsaran'ny trano, ny fomba fiainan'ny olona, izay tsy azo ampitahaina velively amin'ny zava-misy sy iainany aty amin'ny tany an-dalam-pandrosoana. Ny fitaovana moa dia aoka fotsiny e ! Arifomba aok'izany. Manonofinofy eo i Soa, lasalasam-borona eo. Dia saika toa izany ihany hatrany. - Rahoviana re aho no hahita izany Andafy izany ? hoy izy miteny irery matetika. Toa ho nofinofy ihany lahy izany ! Na dia hametraka ny dian-tongotro amin'izany fotsiny aza dia efa mety ho ampy hahasambatra ahy. Amin'i Soa dia voafaokan'io teny hoe Andafy io avokoa ny firenena tandrefana manontolo. Fa ny tena hoe Andafy aminy dia i Frantsa. Toa ireo namana mpiray ranonorana aminy dia noheveriny fa tany tsy mba misy fahoriana sy fijaliana mihitsy izany, tanim-pahasambarana. Tany anjakan'ny fiadanana. Paradisa an-tany e ! Tombanany ireo Malagasy avy any am-pita tonga maka rivotra aty an-tanindrazana ka toa metimety avokoa. Hatramin'ny fiteny aza efa miangentsana ery. - Avy any Andafy tokoa moa ve ka tsy hiboredika amin'ny teny frantsay ? hoy indray i Soa manohy ny eritreriny. Mba te hiaraka hiboredika amin'izy ireny koa izy ka niezaka nianatra teny frantsay araka izay azony natao. Noheveriny mantsy fa marika maha-olo-mandroso na sivilize ny fahaizana miteny frantsay. Eny Manjakaray i Soa no mipetraka. Tsy dia lavitra loatra an'Antananarivo, amin'iny làlana mankany Ambatomainty iny io toerana io ka matetika izy no miaka-midina eo rehefa hikaroka boky hovakina na hovidina. Mafy izany te hahay ny fombam-bazaha sy ny sivilizasiona tandrefana. - Izaho ve moa hahita izany Andafy izany rahoviana, hoy izy, ka aleo manary dia amin'ny vaky boky. Am-panahy dia am-panahy no hiainako izany hoe Andafy izany. Nofinofy ranofotsiny. Indray maka dia tafaresaka tamin'i Jaona zazalahy kely folo taona tonga naka rivotra tao aminy i Soa. Sambany mba tonga aty an-tanindrazana i Jaona kely ka variana sy sondriana ery mahita ny fomba amam-panao sy ny tontolo iainan'ireo mpiray ra amin'ny raiamandreniny. Ny anisan'ny nahazendana azy voalohany indrindra dia ny fahitana fa tsy mikapa na mikiraro ny ankamaroan'ny ankizy, indrindra ny any ambanivohitra. Rehefa mba miara-milalao baolina kitra izy eo an-tanàna dia izy irery no mikiraro ka mahatsiaro sadaikatra sy menamenatra aok'izany. - Fa maninona ange no tsy mikiraro izy ireo ry Soa ? hoy Jaona - Any aminareo any Andafy angaha mikiraro daholo ny olona, ry Jaona ? - Aiza ianao no hahita olona tsy hikiraro any Andafy ? hoy Jaona somary nihomehy valaka. Na ny mpangataka any amin'ny metro aza mikiraro avokoa. - Inona izany "metro", ry Jaona ? hoy Soa liana dia liana. - Ny "metro" ve dia tsy fantatry Soa ? hoy indray i Jaona, lokilokin'ny hehy - Tokoa raha fantatro e ! hoy Soa somary menamenatra. - Toy ny fiaran-dalamby ihany ny metro, toy ny tsinaim-balala lava be mifampitohitohy sy miolokolika any ambanin'ny tany, mamakivaky an'i Paris sy ny tanàna manodidina azy. - Ka ifankahitana ve izany hoe any ambanin'ny tany izany ? Lokin'ny hehy indray i Jaona kely. Mila tsy hampino azy ny hoe zazavavy toa an'i Soa ve dia tsy hahalala "metro" ? - Toy ny ety ambonin'ny tany ihany ka !... hoy ny famaliny. Tsy misy olana mihitsy. Fa hono ho'aho ry Soa, maninona ange no tsy novalianao mihitsy ny fanontaniako teo fa izaho ihany no totofanao fanontaniana e ? Maninona, ho'aho, no tsy mikiraro ny ankamaroan'ny olona aty ? Mba nanandrana tsy nikiraro aho mantsy nahita ny mpiara-milalao tamiko tsy nikiraro ka nandraingiraingy tokoa. Feno zavatra mibontsibontsina sy toa misy rano ary mangidihidy be ihany ny faladiako ka voatery nakana dokotera. Tsy afa-nandeha mihitsy aza aho nandritra ny andro maromaro. - Mampalahelo tokoa izany nahazo anao izany, hoy Soa. Efa zatra mikiraro tokoa ianao ka tsy mahagaga. Ny tany be vatokely sy feno kiloadoaka. Raha ireny no itsahinao efa zatra mikiraro io an dia ho sahirana tokoa ianao. - Fa nahoana kosa àry ry zalahy no tsy maninona mihitsy nefa tsy mikiraro ? - Efa zatra izy. Efa vita vakisiny ny amin'izany izy ka tsy andairam-bontsimbontsina intsony. - Dia aleo ve tsy mikiraro ? - Ka tsy manana izy tsinona ry Jaona a ! - Na dia izany aza... - Ny hohaniny aza manahirana azy ka aiza moa izay vola hividianany kiraro ry Jaona a ! - Fa tsy miasa angaha ny raiamandreniny no tsy hanam-bola hividianana kiraro ? Dia izay kiraro ve ? - Avy any Andafy tokoa ianao ry Jaona kely ka tsy mahalala ny hasarotan'ny fiainana amin'ny tany an-dalam-pandrosoana toa an'i Madagasikara. Ary hono ho'aho ry Jaona, marina tokoa ve fa ampiakanjoina sy ampandroina ny alika sy ny saka any Andafy any ? Efa nisy olona nitantara izany taminy mantsy nefa noheveriny ho angano antoandro ihany ka sarotra taminy ny hino. Lokiloky ery izy rehefa mandre fa hoe ampiakanjoina, hono, ny alika any amin'izany Andafy izany. Tsy hainy eritreretina mihitsy izany hoe alika ka ampiankanjoina, andaniam-bola amin'ny fikojakojana azy. Misy entimanana atokan'ny fianakaviana ho amin'izany mihitsy aza. Tsy vitan'ny fikojakojana ivelany ihany fa arahi-maso koa ny toe-pahasalamany ka entina any amin'ny dokotera mpitsabo ny biby ihany koa atao vakisiny. - Raha izany no marina, hoy Soa miteny irery, dia be lavitra ny vola lanin'ny vazaha amin'ny saka sy ny alikany noho ny lanin'ny Malagasy amin'ny zanany. - Voakojakoja sy voakarakara tsara tokoa ny alika sy ny saka any Andafy any, hoy Jaona tsy naka sarotra. Ary rahoviana kosa i Soa no mba ho any Andafy ? - Aiza no hahatongavako any ? - I dada sy neny efa niteny taminay fa vonona hiantoka an'i Soa raha mazoto hanohy fianarana any i Soa. - Marina ve ry Jaona ? Herintaona taorian'izay dia nohafaran-dRatojo mivady, raiamandrenin'i Jaona tokoa i Soa ka hafaliana moa izany ! Tsy ahombiazana tokoa. Tsy mba nanan-janaka vavy mantsy izy ireo na dia naniry izany fatratra tokoa aza. Tsapany rahateo ny hetaheta sy ny fanirian'i Soa hahita izany hoe Andafy izany. Tovovavy tia karokaroka sy liam-pandrosoana rahateo izy ka "hampalahelo, hoy Ratojo, raha ho tapa-dàlan-kaleha ka ho tapi-dàlan-kaleha toy ny sokina nanani-bato. Tokony ho lasa lavitra eo amin'ny fianarana sy eo amin'ny fiainany izy raha ampiana tosika kely fotsiny. Tsy ho arak'ireo nahitany masoandro rahateo ny hiantoka ny saran-dàlany isan'andro sy ny kojakoja rehetra ilaina amin'izany". Tsy paradisa araka ny nanonofinofisan'i Soa azy velively Ilay Andafin'ny fony. Hafa dia hafa tokoa. Raha niandrandra ny lanitra aza izy ny alina voalohany nanitsahany ny tany frantsay dia nahatsikaritra fa azo isaina amin'ny rantsan-tànana ny kintana. Nisento tokana izy, sento mifono eritreritra lalina. - Fa nankaiza ny kintana ? hoy izy nony kelikely. Zara raha misy telo amana efatra... Tsy hay lazaina ny haben'ny fahadisoam-panantenany. Tia mandinika ny kintana eny amin'ny lanitra hatry ny fahakelezany mantsy izy. Hafahafa aminy tokoa izany hoe lanitra ka tsy ho feno kintana. - Any mantsy izao ny lanitr'i Gasikara! hoy ny sentony mangina. Any mantsy izao ireo kintana alin-kisa! Dia tsy hisy kintana toa izao foana ve aty Andafy aty ? Tsy araka ny niheveran'i Soa azy daholo ny zavatra rehetra. Tsy maniry hoatra ny anana izany ny vola. Toy ny firenena hafa rehetra dia misy ny olona manam-bola ary misy ny tsy manana. Tsy mandeha ho azy ny fiainana. Hazakaza-dava. Rotoroto isan'andro vaky izao. "Mitrongy vao homana", ara-bakiteny ihany koa. Tsapan'i Soa tsara ny fahadisoan-keviny ny amin'ny hoe fahasambarana sy fiadanana. Nitady ny filamatra izy saingy nihantona ho nofy ihany izany. Nanantena paradisa izy saingy ilay paradisan'ny fony dia hay tsy iza fa mbola i Madagasikara ihany. Ankoatra izany, tany izy nanana mpanampy an-trano. Nony tonga taty Andafy kosa dia tonga amin'ny fitenenana hoe : "sady mifofotra no mively vy". Mahatsiaro ireo namany mbola miaina anaty nofy i Soa.